Politique

Jean Charles, rahalahin’ny kly Charles «Aoka izay ny ady fa andao hifamela !”


  • Talata 25 Janoary 2011

Naneho hevitra momba ny fangatahan’ny lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina hotsaraina eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena noho ny fanonganam-pankajana tamin’ny 17 martsa 2009 ny ministry ny fitsarana ny zoma 21 janoary lasa teo.

Nambarany tamin’izany fa sady tsy tompon’andraikitra no tsy milamin-tsaina loatra ny kolonely Charles matoa nanao ireny fihetsika ireny. Tohana tamin’io teny nataon’i Christine Razanamahasoa io ny fianakavian’ity manamboninahitra misazy eny Tsiafahy ity. Nambaran’i Jean Charles, zokiny lahy fa tsy mendrika raha ministra izay tokony hampanjaka ny fahamarinana eto amin’ny firenena no manompa manamboninahitra nametraka azy teo amin’ny toerany. Nampiany fa fanaovana tsinontsinona ny fampihavanana notarihin’ny kolonely Charles ny fanehoan-kevi-dramatoa ministra.

Tsy sakana amin’ny fitoriana ny fifamelana sy fampihavanana ny Malagasy izay tohizan’ity rahalahin’ny kolonely ity anefa izany. “Niady nifanondro basy ny kolonely Charles sy ny jeneraly Raoelina tamin’ny fotoan-tsarotra fa amin’izao fotoana izao kosa dia nahay nifamela izy ireo. Tokony hifamela heloka toy izay avokoa ireo rehetra tsy nitovy hevitra, indrindra fa Ravalomanana sy Rajoelina miaraka amin’ireo mpanara-dia azy ireo. Aoka izay ny ady fa andao hifamela”, hoy i Jean Charles. Araka izany dia takiany ny hamoahana ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila mba hampisy fitoniana satria ny savoritaka politika hatrany no nanimba ity firenena ity.

 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT