Politique

James Ratsima Mila mihaona Ravalomanana sy Rajoelina


  • Alarobia 18 Mey 2011

Ho an’ny antoko Fihavanantsika tahaka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, James Ratsima dia tsy tokony hihazakazaka sy hisisika hanao fifidianana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny fitondrana tetezamita satria tsy hamaha ny krizy mihitsy izany fa mety vao mainka aza hampitombo ny fahasahiranana sy ny savorovoro politika.

 Tsy mbola misy eto ny fitoniana araka ny nambaran’i James Ratsima ary tena maro be ireo tsy nankasitraka ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV. Nilaza mazava izy fa tsy mety ny amboletra ataon’ny FAT amin’izao fotoana ary hanimba zavatra maro. Misy dikany lalina, araka ny fandinihan’ity mpanao politika ity, ny fametraham-pialan’i Paul Maillot Rafanoharana, mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny FAT momba ny diplaomasia, satria nahafantatra zavatra maro io manampahaizana io ary nisy antony goavana matoa nanapa-kevitra ny hametra-pialana sy tsy hiara-kiasa amin’ny filohan’ny FAT. Tsy tokony hatao ambanin-javatra izany rehetra izany, hoy ihany ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika fa tokony ho tonga saina ny rehetra ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra amin’ny famahana ny krizy. Ny fihaonana sy fifampidinihan’ireo mpifanandrina fototra nahatonga ny krizy dia Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no anisan’ny dingana goavana hahafahana mitady ny vahaolana, araka ny nambaran’i James Ratsima.

Manamafy ihany koa anefa izy fa ataon’ny avy any ivelany kilalao fotsiny ny mpanao politika Malagasy. Raha tsy mety tonga saina sy mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana tokoa izy ireo, dia ho sahierana tanteraka ny firenena. Manomboka mivoaka etsy sy eroa indray moa io soso-kevitra amin’ny fampihaonana ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny FAT io. Nanamarika moa ity farany fa tsy handany andro amin’izany izy ary tsy afaka ny hifampiresaka amin’ny mpamono olona sy mpampijaly vahoaka, mety tsy azo ihodivirana mihitsy anefa io fihaonana io satria, raha ny ritsoka re dia mitaky ny hisian’izany ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 

RTT

 

Sary : James Ratsima, Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT