Nampiasa hery ny Emmo-Reg nony hariva ny andro ny sabotsy 19 febroary 2011, andro voatondro fa hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Tsy nijanona tamin’ny fandrarahana vovoka mahery fofona sy ny fanipazana lakrimôzena nentina nanaparitahana ny olona an’aliny maro tonga teny Ivato, fa dia niharo tosika, daka ary vono izany. Mbola olona an’arivony no teny Ivato tamin’ny valo ora alina tany. Efa te hody angamba ireto miaramilan’ny Emmo-Reg na nentin-javatra hafa fa dia romotra no fahitana azy, ary tsy nisy alaharo fa na zaza na fotsivolo no teny alohan’izy ireo dia nitondra faisana avokoa. Maro, araka izany, no naratra. Voatositosika sy voadaka miaraka tamin’ny toto basy aza ny an’ny sasany. Niainga avy eny amin’ny sampanana Mamory Ivato hatrany Talatamaty. ù
Lahiantitra efa fotsivolo no voan’ny daka teo Mamory Ivato. Mpanao gazety lahy, avy amina radiom-piangonana lehibe mikambana ao amin’ny FFKM, nanaraka ny fisehon-javatra sady nandray an-tsary izany, ihany koa no niharan’ny herisetran’ny Emmo-reg na nampiseho karatra maha mpanao gazety aza. Nitsikasina tamin’ny tany izy rehefa voatosika, ary mbola narahina daka sy nosena ihany koa. Ny ompa sy teny ratsy amin’io manginy fotsiny. Vokany, naratra ny tanan’io mpanao gazety io, mivonto ny tongony ary mangana ny lamosiny ary very hatramin’ny findainy, izay tsikaritra fa miaramila ihany no nandray azy saingy tsy namerina !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.