Somary nananosarotra be ihany teo am-boalohany ny fidirana tao amin’ny CCI Ivato omaly fa sasatry ny miantso an-telefaonina ny any anaty trano ny mpiambina teny am-bavahady.
Mbola nierana ny hampidirana na tsia ny mpanao gazety tonga mialoha teny sy ny fiaran’ireo voaasa. Tamin’ny tolakandro aza, mbola nisy ihany koa fifamalian’ny mpiambina nahazo baiko hentitra tamin’ny mpanao gazety niverina haka fehin-kevitra rehefa avy nitrandraka vaovao hafa. Atoa Ratsirahonana Norbert Lala no mpanao politika tonga voalohany indrindra teny. Nisy ireo antoko politika tsy tafiditra fa tafajanona ivelan’ny vavahady noho ny tsy fahazoana fanasana mazava loatra. Nilaza ny sasany tamin’izy ireo fa efa tamin’ny 9ora alina ny talata vao niala teny Ambohitsorohitra ary nasaina ho tonga eny Ivato fa hampidirina.
Tsy tao anaty lisitra anefa izy ireo ka tsy tafiditra mihitsy. Antoko politika mijoro ara-dalàna izy ireo. Ao izany KAEMA tarihan-dRtoa Rasoarinoro Pierrette niforona tamin’ny taona 2000, ny MIRA tarihan’i Ruelle Brunet, ny MDPM (Mouvement pour le Développement Participatif Malagasy) an-dRamahandry Jeanne ary izany fikambanana Jerosalema Vaovao izany. Tara 35 minitra ny fanombohan’ny fivoriana satria tamin’ny 10 ora sy 35 minitra vao nanomboka raha tamin’ny 10ora no fotoana nifanomezana. Nisy tamin’ireo mpanao politika no tazana tsy nitsangana rehefa niditra ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa tamin’ny firedonana ny hiram-pirenena vao nanome voninahitra izany ary kamiô miaramila iray monja izay nitondra ireo mpanao “piquet” no tazana teny Ivato fa tsy mba maromaro toy ny tetsy amin’ny manodidina ny “Villa Elisabeth” izay sady be basy avokoa.
SARY : Tany ambadiky ny fefy ireo tsy tafiditra no nihainohaino
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.