Politique

Imamo sy Itasy Tokam-po ny Zanak’i Dada


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2011 teo amin'ny kianjan'Antaboaka ny sabotsy 29 Janoary 2011, ny vahoakan'Arivonimamo Faritr’Itasy notronin’ireo vahiny marobe nasaina avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Ny antoko Tiako i Madagasikara any an-toerana notarihan’ny Ben’ny tanàna sy ny Solombavambahoaka voafidy avy amin’iny distrika iny, Rodin Rakotomanjato ary ireo vehivavy TIM no tompom-panasana notronin’ny birao politikan’ny antoko notarihan'ny Sekretera Jeneraliny Mamy Rakotoarivelo sy ny mpanolotsaina Ravatomanga Roland sy Riana Andriamandavy VII, notronin'ireo olom-boafidy maro, indrindra ny avy ao Itasy nahitana ny Senateran’Itasy Rakotoariventiny Charlie, ny depioten’i Soavinandriana, Ramarozatovo Flore Meltine. Vory lanona ny vahoaka ary nampiseho fa mbola mijoro ny vahoaka manaraka ny ara-dalàna manerana ny Faritra. Nisy rahateo ny nofon-kena mitam-pihavanana nifampizarana ary koranam-pianakaviana nampalai- nisaraka. Niarahaba ny rehetra tongasoa ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo ambanivohitra, Rabearivelo Armand.

«Na lavitra sy fiakarana aza ny lalana tsy maintsy ho tonga amin’ny tanjona isika dia firenena mandroso sy ara-dalàna », hoy izy. Nampian’ny Depiote Rodin izany tamin’ny filazana fa “Tsy misasatra miasa ho an’ny vahoaka izahay, indrisy anefa fa noho ny hetraketraky ny sasany dia tapaka ny famatsiana. Ary na nahatona aza dia nanasoa hatrany ny Kaominina 22. Ka mbola misy siniben-drano hotokanana atsy ho atsy fa tsy mieboebo izahay. Aza kivy fa ny mino tsy maintsy mandresy ary tsy mivarotra samboady izahay”. “Tokam-po ary zanak’i Dada Arivonimamo”, hoy izy. Faly loatra moa ny lehilahy ka nisondrova-pitenenana tamin’ny fiarahabana ny vahoaka. “Na ny senatera na ny depiote na ny vahoakan’Itasy tsy nisy nivadika tamin’i Dada ary izaho dia ny raiko sy ny reniko samy avy aty avokoa ”, hoy ny Senatera Ravatomanga Roland.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT