Antomotra ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018, saingy mbola maro ny zavatra mifamahofaho ao anatiny.
Miteraka fifanoheran-kevitra maro izy io, indrindra fa ny resaka lalàna, ary anisan’ny nanamarika izany i Ihanta Randriamandranto, Sekretera Jeneralin’ny Antoko TEZA. Raha ny lalàm-pifidianana dia tsy tokony ho ao anatin’ny fotoam-pahafavaratra ny fifidianana, kanefa mifarana ny 25 janoary 2019 ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena am-perinasa. 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha io ny fifidianana izy io no tokony hametra-pialana raha mbola mihevitra ny hirotsaka, izay midika fa eo anelanelan’ny 25 novambra ka hatramin’ny 25 desambra 2018 ny fifidianana, ary tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana. Mbola olana goavana ihany koa anefa ny resaka valim-pifidianana eto amintsika, izay mitarazoka, ka miteraka ahiahy ho an’ny olom-pirenena. Raha raisina ho ohatra ny tany Frantsa, dia ora iray monja taorian’ny fifidianana dia efa hita ny fironan’ny mpifidy, izay tsy nisy fiovana firy tamin’ny vokatra ofisialy. Na mety tsy ho tratrantsika aza izany ora vitsy aorian’ny fifidianana izany, dia tokony ho hita andro iray eo ho eo ny ny fironana, fa tsy hisy ny kajikajy hisian’ny fitsimbadihana hampandresena ny kandida iray, izay matetika miseho eto amin’ny firenena, ka herinandro maromaro aty aorian’ny fifidianana no hisian’izany. Mandeha ny hevi-petsy hanatsimbadihana ny vokatra, toy ny fanafoanana voka-pifidianana amina faritra maro. Ao anatin’ny fandinihana ny resaka zotram-pifidianana ny firaisamonim-pirenena sy ny Vaomiera Mahaleotena momba ny fifidianana (CENI), ka anio mihitsy no hisian’ny dinika sy fanambarana eny Alarobia, izay inoana fa hisian’ny fepetra sy hanomezana toky ny Malagasy amin’ny hizoran’ny fifidianana an-tsakany sy an-davany ao anatin’ny mangarahara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.