Politique

Ignace Moramanga Manontany raha afa-po tamin’ny tolony ny FAT


  • Zoma 29 Aprily 2011

Ankoatra ny kabary politika sy fanentanana samihafa homena ny mpitolona dia fampitan-kafatra no atao tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ary tena voaray tsara, tsy ho an’ny mpitolon’ny ara-dalŕna sy ny Ankolafy 3 ihany fa voarain’ny mpitondra FAT sy ny mpomba azy tsara ihany koa.

Maro mantsy ny mpitsikilo sy mpikarama an’ady mpitati-baovao sy mpitati-bolana ny zavatra mitranga ao an-kianja ao. Ho azy ireny indrindra no nilazan’i Ignace, legalista avy any Moramanga hoe : «ho anareo vahoaka nitolona teny amin’ny 13 mey, mbola ao ve ilay kianjan’ny demokrasia sa anarana sisa ? Nisokatra ho an’ny rehetra ve ireo haino aman-jerim-panjakana ? Nihamora ve ny fiainana, ny vary, ny menaka…? Tsy fivarotan-tanindrazana indray ve ny fivarotana tany amin’ny vahiny fa azo atao indray satria ao anatin’ny lalàmpanorenana ? Ianareo very asa lasa mivarotra amoron-dalana henjehina isan’andro, mety aminareo ve izany ?

Isaky ny miakatra ny solika, be ny mpandrahona, ankehitriny ny mampiakatra indray no mampitahotra, mety ve izany ? Taloha dia nompaina ny SADC ary nolazaina fa fikambanan’ny mpitondra mpanao didy jadona, ankehitriny anefa toa ivavahana indray ? Iza aminareo no afaka milaza hoe aiza ho aiza isika izao, tetezamita ve sa Repoblika faha-4 ?». Dia afaka mamaly izany avokoa na ianao olon-tsotra milaza tsy mpomba ny atsy sy aroa io aza ê !

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT