Misy ny fanehoan-kevitra mivantana taorian’ny zava-niseho teny Ivato tamin’ny sabotsy ireny nataona mpanao politika vitsivitsy nangonin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Jaona Ralison
“Ireny ampaham-bahoaka hita teny Ivato ireny dia midika fa misy hetahetam-po ao, misy hafatra tokony horaisin’ny mpitondra”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita sady filohan’ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena, Jaona Ralison. “Na izany na tsy izany, ny zava-dehibe mahamaika antsika izao dia ny fivoahana amin’ny krizy. Efa misy ny sori-dalana narafitry ny SADC izay midika fa handray andraikitra ny Iraisam-pirenena. Midika izay fa manomboka amin’ny tena famahana ny krizy isika. Ireo trangan-javatra rehetra ireo mitambatra no ezahina horaisina ao amin’ny tetezamita ka hanarenana ny lesoka ary hanohizana ny tsara ka hananganana ny rafitra rehetra hoentina any amin’ny Repoblika faha-4. Isika rehetra dia samy Malagasy ka ny fiainana ao anatin’ny filaminana tanteraka no ahazoana miditra any amin’ny fampandrosoana ny firenena», hoy i Jaona Ralison.
“Amiko, rariny sy hitsiny raha tonga nitsena an-dRavalomanana ireo mpanohana azy”, hoy i Henri Le Cacheur, filohan’ny antoko PFM. “Nandiso fanantenana ny rehetra ny fanakanana azy ny tsy fahatongavany na ny tsy famelana azy hiditra eto Madagasikara”, hoy izy satria samy niandry azy daholo na ny mpomba azy maniry ny hiverenany eo amin’ny fitondrana na ny mpitondra milaza fa hitsara azy noho ny zava-bitany teto amin’ny firenena. Mbola haveriko fa tsy tokony ho nosakantsakanana mihitsy izy fa navela niverina malalaka”. “Ny andrasantsika izao dia ny hevitry ny iraisam-pirenena ary mikasika ilay sori-dalan’ny SADC iny dia mbola tokony hasiam-panitsiana izy iny fa misy tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny mpomba ny fitondrana ary misy koa tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny ankilany”.
«Voalohany dia misaotra ny vahoaka rehetra tsy an-kanavaka tonga teny Ivato nampiseho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana», hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas mpitari-tolona eny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka. «Nampiseho ihany koa ho hitan’izao tontolo izao fa ny vahoaka malagasy dia manantena ny hiverenan’ny ara-dalàna eto amin’ny tanindrazany. Singaniko manokana ny avy any amin’ny Faritra tena nampiseho izany firaisankina izany ary manome toky izahay fa tsy maintsy ho avy eto ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ary tsy maintsy ho afaka hirotsaka hofidiana mba hanavotra ity firenena izay efa tena latsaka anaty lavaka lalina ity». «Hitondra voka-dehibe amin’ny famahana ny olana atsy ho atsy iny trangan-javatra iny», hoy izy, «ary ny hafatra ho an’ny ao amin’ny fitondrana FAT : tanindrazana iombonana ity, samy Malagasy isika. Voaporofon’ny vahoaka teny Ivato fa ilaina ny fihavanana sy ny fifamelana ka ampandefero ny hambom-po tsy hitondra vokatsoa ho antsika. Avelao hiverina avokoa ireo rehetra mbola any ivelany noho ny resaka politika mba hiara-kanavotra miaraka ity firenena iombonana ity».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.