Ho avy eto Madagasikara amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, ny iraky ny SADC tarihin’ny Dr Leonardo Simao hanelanelanana amin’ny famahana ny krizy mitarazoka efa 23 volana izao.
Mandeha ny resaka, saingy tsy voamarina hatreto, fa ho avy ihany koa i Joaquim Chissano, filoha mozambikana teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena amin’ny fandaminana ny krizy eto Madagasikara. Hiara-dia ireto diplaomaty iraisam-pirenena ireto sa hifanao andiany ? Ny azo antoka izany dia manohy ny asa fanelanelanana ny avy amin’ny SADC. Efa nisy ny sori-dalana nivoaka ary nozaraina tamin’ny ankolafin-kery politika isanisany nialoha ny nandaozan’ny Dr Leonardo Simao an’i Madagasikara ny alakamisy 03 febroary, noho ny antony ara-pianakaviana tamin’ny nahafatesan’ny rainy. Niteraka resabe izy iny, na fantatra aza fa sori-dalana lasitra ihany, hanamora ny firosoana amin’ny dinika fikatsahana vahaoalana.
Araka ny fantatra dia hiroso amin’ny fandinihana ireo tolo-kevitra hanitsiana na hanatevenana iny sori-dalana lasitra naroson’ny Dr Simao sy ireo volavolan-tsori-dalana hafa mihitsy ny iraka amin’izao diany manaraka izao. Midika io fa tsy mitombina ny filazana fa nankatoavin’ny Troïka SADC na koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao fa dia mbola sori-dalana vakiraoka ihany iny, ka mila diovina sy hatsaraina. Eo amin’ny fomba hanatanterahana azy indray izao no mety ho adihevitra.
Ny UDR Fanovana sy ny TGV ary ny Escopol mantsy dia mihevitra fa ny antoko politika no miara-midinika, ny Ankolafy Telo indray anefa nilaza ombieny ombieny fa vondron’antoko na ankolafy no mifandinika, ka solontena mahatapa-kevitra no mandray anjara amin’izany. Ho fantatra misimisy kokoa ny amin’izay amin’izao fiverenan’ny iraka mpanelanelana izao. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe haharitra hatramin’ny oviana vao hahita izay tenierana izay, ka hivoahan’ny sori-dalana eken’ny rehetra, satria dia efa diso mijaly loatra ny maro an’isa amin’ny vahoaka Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.