Politique

Hitsena ny filoha Ravalomanana Anio dia efa hiainga ireo zanak’i Dada Toamasina


  • Zoma 18 Febroary 2011

Tsy nataon’ny Tiako I Madagasikara Toamasina sy ny ankolafy Ravalomanana ary ireo ankolafy roa (Ratsiraka sy Zafy) ambanin-javatra, ny fanambaran’ny filoha Ravalomanana ny hiverenany an-tanindrazana, hamarana ny krizy ao anatin’ny fifampidinihana mivantana eo amin’ny samy Malagasy.

Efa samy nanomana ny enti-manany amin’izany fitsenana ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana izany avokoa ireo zanak’i Dada ao Toamasina, ka raha ny fandaharam-potoana teo amin’izy ireo araka ny fivoriana ny alarobia alina sy ny alakamisy manontolo ny andro, dia anio zoma izy ireo no hiara-kiainga ao Toamasina hamonjy an’Antananarivo ary hitsena amin’ny hetsika maredona ny fiverenan’Atoa Ravalomanana an-tanindrazana ity. Nambaran’izy ireo hatrany fa «ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana no hamaha ny olana sy ny krizy nitarazoka efa roa taona izao. Aleo izy ho avy hisian’ny fitoniana ary ho fantatra eo amin’izay ny marina rehetra sy ny tena miziriziry ary ny tena tia tanindrazana marina amin’ny mpanao politika».

Nambaran’ireo andiam-bahoaka hiainga anio maraina ao Toamasina ireto, fa «aleo ny vahoaka haneho am-pilaminana ny fahafahany sy izay heveriny fa mahavaha ny olana eto amin’ny firenena. Aza ampitahorina sy giazana lava ary hanaovana jadona sy didin’ny be ‘basy’ foana». Andiany maro ireto olona vonona ny hitsena an’Atoa Ravalomanana hiainga ao Toamasina anio ireto. Efa namboarina mba amin’ny zakan’ny tsirairay koa ny saran-dalana, araka ny fifanarahana teo amin’ireo mpitatitra sy ny mpanomana ny dia.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT