Politique

Hiova ilay sori-dalana Sahiran-tsaina ireo mpomba an-dRajoelina


  • Zoma 04 Martsa 2011

Nanomboka omaly alakamisy ny fandinihan’ny iraky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC ny fanitsiana heverin’ny Ankolafy Ravalomanana fa tokony hatao amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao, izay efa nahitsin’i Joaquim Chissano.

Izany dia miaraka amin’ny tolo-kevitra vaovao naroson’ity ankolafy ity, izay efa tonga teny am-pelatanan’ireo vahiny ireo ny tolakandron’ny alarobia teo. Omaly dia nisy ny fivoriana niraisan’ny roa tonta nandinihana ireo teboka vitsivitsy voarakitr’izany. Tonga teny amin’ny Colbert Antaninarenina nitarika ny delegasiona Ravalomanana tamin’ity dinika ity, Atoa Mamy Rakotoarivelo. Niara-dia taminy ireo teknisiana sy ilay manampahaizana manokana momba ny krizy, Brian Currin. Sahiran-tsaina ny ankolafy Rajoelina manoloana izany, izay manery ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana taloha, raha ny tapak’izy ireo teny Ivato ny alarobia 03 martsa teo. Mazava anefa eto ny resaka fa tsy maintsy hodinihina ity tolo-kevitra naroson’ny ankolafy Ravalomanana ity.

Tolo-kevitra izay narafitra niainga avy amin’ny tolo-kevitry ny mpikambana fototra sy ny rafitra isan’ambaratongan’ireo antoko mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana. Ireto farany rahateo nanamafy ny fahavononany hatrany hiara-kidinika hikatsahana vahaolana mahomby hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy lalina lalovany izao. Mety ho sori-dalana vaovao no hivoaka ao anatin’izany.

Ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo dia faly amin’ny finiavana asehon’ny ankolafy Ravalomanana hikatsaka izay lalana hivoahana amin’ny krizy. Mikasika ny fanapahan-kevitra heverin’ireo mpanao politika nantsoin’i Andry Rajoelina hivory teny Ivato fa hampiarahana amin’ny septambra 2011 ny fifidianana parlemantera sy filoham-pirenena, dia fampahatsiahivana no nataon’i Mamy Rakotoarivelo fa raha tonga teto ireo iraka manokan’ny Firenena Mikambana nanao tombana ny fahafahan’i Madagasikara mikarakara fifidianana dia nilaza mazava izy ireo tamin’ny tatitra savaranonando nataony fa sarotra ny manatanteraka izany ato anatin’ny 11 volana. Koa ny fisisihana hanao fifidianana amin’ny volana septambra 2011 izao dia midika fa sady tsy hahazo famatsiam-bola hikarakarana fifidianana no tsy hahazo fankatoavana koa izay fifidianana vita eo, hoy ity sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara ity. Ka inona ary no hataon’ny ankolafy Rajoelina manoloana izany, izy izay mitady mafy ny hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ? Handroaka an’ny Dr Simao hiala teto fa tsy mitana ny teny nomena ? Mitohy ny tantara …

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT