Politique

Hetsiky ny zanak’i Dada Antsirabe Hampitaina amin’ny Internet avy hatrany


  • Zoma 13 Mey 2011

Vonona ary tsy hihemotra ireo vahoaka sy ny mpitarika azy ao amin’ny Magro Avaratsena amin’ny hetsika ataony rahampitso sabotsy ho fiaraha-mientana amin’ireo vahoaka manerana ny Nosy.

 “Goavana ity hetsika hatao ity”, hoy ny mpitarika ary tena hiavaka tokoa satria tonga dia ampitaina any ivelany avy hatrany amin’ny alalan’ny tranokala ny hetsika ho hitan’izao tontolo izao, hanaporofoana fa tsy misy zavatra mandeha izany eto Madagasikara ary hampahafantarana ihany koa fa tsy an’Antananarivo irery ny hetsika fa noho ny terivaimanta ataon’ny FAT no mampifitsaka ny olona ka izay no hampiavaka ity indray mitoraka ity. Tsy hivoaka ny kianja akory ireo mpitolona amin’io fotoana sabotsy io, ary efa natao hentitra ny fitandroana ny filaminana ao anatiny sy ivelany mba hialana amin’ny mety hisian’ny mpanararaotra ka hiteraka olana indray, hoy ny mpitarika. Ankoatra izay moa dia handray vahiny avy aty an-drenivohitra ihany koa ny ao Antsirabe rahampitso sabotsy 14 mey io, na dia hisy aza solontena ho eto Antananarivo hanatevina ny hetsika atao eto ihany koa. Hisy, araka izany, ny vaovao lehibe hampitaina mba tsy haha tompon-trano mihono ny mponina Antsirabe, indrindra taorian’ilay vaovao an-gazety farany teo izay toa nahasadaikatra ny olona be ihany. Hafana izany ny hetsika ataon’ny zanak’i Dada ka hanasany ireo rehetra mahatsiaro ho tratry ny tsindrihazolena amin’izao fitondrana izao.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT