Raikitra ! Tsy nihemotra tamin’ny teny nataony tao amin’ny Magro Behoririka ny talata 17 mey teo ireo mpanao politika mpitarika ao amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana fa dia tonga teny Anosy tokoa omaly.
Efa vory maro teny manodidina nialoha azy ireo ny vahoaka. Vao nigadona teny an-toerana ny profesora Zafy Albert, tamin’ny mitataovovonana teo, dia rodobe “iray sy valo” avy hatrany, araka ilay datin’andro. Ity Rain’ny demokrasia ity rahateo no mpitarika io rodobe mankany amin’ny fametrahana ny tetezamita tena izy io. Nivonona ny hampahafantatra ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny hetahetam-bahoaka amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana ny tenany, fa nialoha izay dia namerina ho ren’izay rehetra teny amin’ny manodidina an’Anosy, na mpiasa am-birao, na miaramilan’ny Emmo-reg, na olom-pirenena tsotra, ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra, na sivily na miaramila ny tenany, mitaky ny hamelana malalaka ireo Malagasy sesitany rehetra hiverina an-tanidrazana tsy misy raorao. “Tafiditra tanteraka ao anatin’ny famahana ny krizy i Marc Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka ka tsy mety ny resaka raha tsy eo izy ireo. I Andry Rajoelina no tsy nanaja ny fifanarahana vita sonia tany Addis Abeba mametraka azy ho filoha ka afaka mody ny filoha Marc Ravalomanana sy ny amiraly Didier Ratsiraka”.
Tsy nisorona koa ny Pr Zafy Albert niteny tamin’ny mpitandro filaminana hampitsahatra ny fisambotsamborana olona noho ny heviny, ary tsy hiaro rafitra tsy ara-dalàna. Nasiany teny koa ny fitsarana sy mpitsara mba hijoro amin’ny hasiny fa tsy hatao fitaovana. Nandritra izany dia tapaka minitra vitsy ny lalana teo Anosy manoloana ny Lapan’ny Fitsarana. Baomba mandatsa-dranomaso kosa no nitsena ireo vahoaka marobe nihaino azy taorian’izay raha nikasa ny handroso. Nanomboka teo ihany koa ny fanaparitahana nataon’ny Emmo-reg. Variraraka ny fidobodoboky ny lakrimôzena. Tsy nisy fampitandremana io. Roa metatra monja teo alohan’ny Profesora no nidoboka ny sasany. Tsy nanavahana fa rakotra hatramin’ny mpitandro ny filaminana mbola tany anaty fiara, ka samy nikoropaka nanavo-tena avokoa. 52 isa raha ny boaty avy nipoaka voaangon’ny olona, ka nasehon’i Tabera Randriamanantsoa ny mpanao gazety teny Ivandry omaly tolakandro. Mety nihoatra izay satria dia nitohy mandra-pahariva ny andro ny fanaparitahana olona teny amin’ny manodidina an’Anosy. Narahin’ny fisamborana avy hatrany izany. Dimy no voasambotra.
Voalaza fa nematraka sakana tamin’ny arabe, nanelingelina ny fifamoivoizana izy ireo no namalivaly mpitandro filaminana. Fantatra anefa fa nisy mpivady avy ao amin’ny hopitaly HJRA, ka teo am-piandrasana bus no nobatain’ny Emmo-Reg ny vadiny. Ranomaso ny an’ilay ramatoa vokatr’izany. Satria ve izahay ratsy akanjo, hoy izy. Iray maka bahana, ihany raha ny fihaino ny Pr Zafy Albert nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataony tao amin’ny “Villa
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.