Fomba fiadin’ny fanjakana FAT tato ho ato ny fakana ohatra ny hetsi-bahoaka mitranga any amin’ny faritra arabo sy silamo amin’izao fotoana, mitaky ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanovana ary ny fahalalahana.
Kinga mihitsy aza ny mpitondra ankehitriny milaza fa naka tahaka ny hetsi-bahoaka (?) teto, roa taona lasa izay, ry zareo Arabo. Raha vao nanambara ny fiverenany an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, dia novoizina tampoka ny hoe «Ravalomanana = Ben Ali» sy ny hoe «Ravalomanana = Moubarak». Ny zoma 18 febroary 2011, teny amin’ny RTS Fiadanana, aza ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, dia nampitaha ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara, amin’ny fiverenan’i Ben Ali any Tonizia sy Hosni Moubarak any Egypta. “Azo eritreretina ve izany ?”, hoy izy raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety, nentiny hiarovan-tena sy hanamafisany ny tiana hatao. Tonga any Libia ny hetsi-bahoaka ankehitriny. Ny kolonely Mouammar Kadhafi, no mpitondra any tsara ho marihina ihany.
Nidodododo nila fanohanana sy fanampiana tany i Andry Rajoelina tamin’ny 16 mey 2009, araka ny diplomasia frantsay, raha vao tontosa ny fanonganam-panjakana teto. Ny Libiana koa dia nanampy betsaka an’i Andry Rajoelina, ary niady mafy mihitsy aza, mba hahazoan’ity farany mandray fitenenana teo amin’ny pilipitran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fivoriambe faha-64 ny taona 2009. Niarahana nahita ny tohiny tamin’izay, fa olona “sans qualité” no nilazan’ny mpivory ny solontena Malagasy tamin’izany. Feo izay nanakoako eran’izao tontolo izao. Ankehitriny anefa ilay notompoina fatratra dia lasa mamono olona sy mitifitra sivily mpiray tanindrazana aminy (maherin’ny 230 no efa maty), izay mitaky fanovana sy demokrasia ary fahalalahana.
Mangina tsy ahenoan-teny ny FAT eo anatrehan’izany. Tsy sahy nampitoviana taman’olona ingahy Kadhafi. 42 taona lasa izay, dia fanonganam-panjakana no nataon’ity kolonely ity sy ireo miaramila notarihany niakarana teo amin’ny fitondrana, ary mbola maha eo azy mandrak’ity ny anio, tsy nisy mpandimby ka nanaovany ny demokrasiany sy ny fahalalana fantany ary ny fanovana noheveriny fa mety. Andrasana izany ny taratasy ho fiarahabana alefan’ny fitondrana FAT ho an’ny vahoaka Libiana amin’izao fahasahiany mitady fanovana izao, tahaka ny nataony hatramin’izay tamin’ireo hetsi-bahoaka tao Tonizia sy Egypta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.