Politique

Hery Rakotobe “Tsy olana aminay mihitsy ny fodian’ny Filoha Ravalomanana”


  • Alatsinainy 07 Febroary 2011

Toa mifandramatra be ihany ny antoko politika samihafa na ireo izay nanambatra ny hery toa ny Escopol aza. Be ny manaiky, ao koa ny mitsipaka tanteraka ilay sori-dalan’ny SADC avy amin’ny Dr Simao.

Ahoana ny fodian’ny Filoha Ravalomanana Marc an-tanindrazana sy ny hitantanan’ny mpanongam-panjakana ny firenena ? Misafotofoto ny toe-draharaham-pirenena. Resadresaka nivantana nataon’ny Tia Tanindrazana tamin’i Hery Rakotobe, Sekretera Jeneralin’ny antoko Grad Iloafo.

 

Tia Tanindrazana (TT) : Takon’ny ankolafy na fivondronana politika isan-tsokajiny ve ny antoko Grad Iloafo Atoa SG no tsy henoheno firy tao ho ao tamin’ny fanehoan-kevitra azy manokana ?

Hery Rakotobe (HR) : “Ny antoko eo ihany fa mitady vahaolana ho an’ny firenena no atao ka mitady ny rehetra hiara-kitantana no himasoana mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy madio eto amintsika. Izay no nataon’ny Grad ary niarahany tamin’ny Escopol ny fitadiavam-bahaolana fa rehefa milamina ny amin’izay ary hiroso amin’ny fifidianana dia izay vao alefa ny resaka antokon’ny tena manokana”.

T.T : Raha ny hita eto izao dia toa tsy mifanaraka loatra ianareo ao amin’ny Escopol ?

H.R : “Ny krizy miverimberina eto amintsika no mampahantra ny firenena. Mba tsy hiverenan’izany intsony dia izay no hamoahanay ny “Charte de confiance” sy “etika”. Raha sanatria misy ny tsy ho tonga amin’ny fifanarahana dia izay no hananganana ny satan’ny mpanohitra fa tsy ho sakana amin’ny fandrosoana izany.

T.T : Fa ianareo samy Escopol tena mifandramatra ?

H.R : “Ka izay no hialana. Tsy laharam-pahamehana mantsy ny fitadiavana tombontsoa manokana fa ny fivoahana amin’ny krizy ihany no banjinina. Apetraka ny hambom-po, mila mandefitra ary mila manetry tena koa”.

T.T : Mihevitra ve ny Grad Iloafo fa hivaha ny olana raha mbola misy tsy manaiky ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalan’i Simao ?

H.R : “Efa mazava ny an’ny SADC nasehoany tamin’ny “feuille de route” fa hanampy antsika ny iraisam-pirenena raha misy ny fifanarahan’ny samy Malagasy. Raha misy tena tsy mety hiditra amin’io dia noho ny fomba fizaran-toerana ka tsy maintsy atao mazava ny anjaran’ny tsirairay mba hipetrahan’ilay rafitra tena fiaraha-mitantana”.

T.T : Ianareo ve anisan’ilay matahotra ny hiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana ?

H.R : “Tsy olana aminay mihitsy ny fodian’ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana fa eo kosa ny ahiahy amin’ny fiarovana azy. Raha milamina izany vao miverina eto amin’ny firenena izy”.

T.T : Manaiky ny mpanongam-panjakana hitantana ny tetezamita sy ny firenena izany ianareo ?

H.R : “Efa nihoarana ilay hoe : mpanongam-panjakana fa efa tafiditra amin’ny “approche parti” isika izao”.

 
Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT