Maro ny zavatra tsy hampoizina mety hiseho mandra-pahatongan’ny tena fotoana hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018, ka efa manomboka miseho tsikelikely amin’izao fotoana.
Ao ny resaka mandeha ankehitriny fa tsy ho kandida ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina. Na dia miezaka mandamin-dresaka aza ny HVM, dia tsikaritra ho miady an-trano sy mifanipa-kevitra. Misy ireo mandrisika fatratra ny hilatsahany ary ao kosa ireo maniry ny hanajany tena, ka olon-kafa no tokony hatolotry ny HVM. Samy miady ho lohany ny ankamaroany. Iza no hatolotra raha tena tsy hirotsaka tokoa ny tenany ? Ny olana anatin’ny HVM tsy mivaha kanefa ny aty ivelany misosoka ihany. Na milaza ho antoko matanjaka aza izy ireo, anisan’ny antoko maro fahavalo indrindra. Tsy fantatra akory teo amin’ny tontolo politika izany HVM izany satria na ny nahalany azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena aza, dia mbola dian-tanan’i Andry Rajoelina sy ny MAPAR. Fahavalony voalohany anefa ireo amin’izao fotoana ary tsy hay ny valifaty kononkononin’izy ireo rehefa raikitra tokoa ny fifidianana. Mbola vesatra sy olana mitatao ao an-damosin’i Hery Rajaonarimampianina ihany koa anefa ny resaka kolikoly mahasaringotra ireo manodidina azy, eny fa na ny tenany aza indraindray voatonona, toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay tsy hita izay heviny sy zavatra ambarany fa ny miala bala no ataony. Tsy tena namana ireo manodidina azy, fa ny afera no mahamaika ny ankamaroany, ka tsy misy tena azo hianteherana, izay mety ho antony lehibe handrisika azy tsy hirotsaka intsony. Manginy fotsiny ny fampanantenana nataony izay tsy tanteraka ny ankamaroany, ka vao mainka nahatonga ny vahoaka hankahala azy, toy ilay resaka hoe telo volana dia mivaha ny delestazy.
Hanome ohatra tsara ho an’ny mpanao politika?
Noho ny fankafizan’ny vahoaka azy izay tena ambany be noho ny zavatra nafitsoky ny fitondrana HVM tarihiny no mety tsy hirotsahany intsony. Araka ny loharanom-baovao iray anefa, dia mety hanao sorona ny tenany amin’ny tsy firotsahana izy mba hisakanana ny hafa. Hatao izay hevitra rehetra tsy hahafahan’ireo kandida atahorana mba tsy hirotsaka tahaka azy, ka hambara fa hanome lesona tsara ho an’ny mpanao politika, mba hahay hanaja tena amin’izay izy satria efa samy teo daholo ihany, ka aleo samy mandefitra sy tsy mirotsaka intsony. Hiezaka ny handamina ny raharahan-tokantranony kosa ny HVM amin’izay ka minisitra iray ao anatin’ny governemanta, izay kandida hatolotr’izy ireo fa tsy Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.