Politique

Hery Rafalimanana Mbola vonona ny hiaraka hiasa amin’ny vahoakan’Antananarivo


  • Talata 01 Febroary 2011

Naneho ny mbola fahavononany hiara-kiasa amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny fampandrosoana ny tanŕna sy ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka i Hery Rafalimanana, PDS-n’Antananarivo teo aloha, ary efa talen’ny Magro tamin’ny fotoan’androny ihany koa.

Nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona niarahany tamin’ireo solontenan’ny mponina manerana ireo Boriborintany enina sy ireo Raiamandreny ao Ambodinisotry, faritra nibeazany no nahafantarana izany ny alahady teo. Tao amin’ny CSB II Isotry no nanatontosana ny lanonana, narahin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana izay tsy nanavahana firehana politika na antoko.

Noho ny fahatsiarovan’ity PDS teo aloha ity fa manana andraikitra amin’ny fanampiana sy ny fanasoavana ny vahoaka ny tenany no antony nanaovany izao fihetsika izao izay mbola nohamafisiny fa vonona ny tenany ny hiantsoroka izany andraikitra goavana izany raha toa ka mbola ilain’ny vahoaka. Ny fijerena ny lafiny kolontsaina, ny fanatanjahantena ary ny sosialim-bahoaka no tena mahamaika ireo mponina eny amin’ny faritra iva ka nitarainany tamin’ity PDS teo aloha ity raha tsy latsa-danja amin’izay ny fanamafisana orina ny fihavanana eo amin’ny samy mpiara-belona.

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT