Politique

Hery Rafalimanana Manoman-tena ara-politika


  • Alarobia 16 Martsa 2011


Miverina tsikelikely eo amin’ny sehatra politika indray i Hery Rafalimanana, PDS-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny 2007, rehefa nangina taorian’ny tsy nahavoafidy Ben’ny tanàna azy raha nifaninana tamin’i Andry Rajoelina, nandritra ny fifidianana ny 12 desambra 2007. Nanao rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato ny fikambanana AFAKA, tarihiny. Izy tenany mihitsy no tonga teny tamin’io. Mbola mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena na dia tsy manana andraikitra goavana sahanina eto amin’ny firenena intsony aza i Hery Rafalimanana. Fotoana tokony hitenenana izao, hoy ihany izy ka hanafaka ny vahoaka ao anatin’ny krizy lalim-paka izay efa niainany tao anatin’ny roa taona.

Nandritra ny fambolen-kazo notontosain’ny fikambanana tarihiny teny Vontovorona ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Fambolen-kazo izay tafiditra sahady ao anatin’ny ezaka fanarenana ny firenena tontosain’ny fikambanana AFAKA. Nambaran’ity PDS teo aloha ity moa fa avy amin’ny vahoaka ny tenany ary mbola vonona ny hiverina amin’ny vahoaka raha toa ka ilaina izany. Tsy mijery loko politika i Hery Rafalimanana, araka ny nambarany ihany, fa rehefa mpitondra vonona ny hitodika amin’ny tena fampandrosoana marina dia azony hiarahana miasa avokoa. Tafiditra ao anatin’ny fototra ijoroan’ny fikambanana rahateo izany dia ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olona isam-baravarana.

 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT