Politique

Hary Naivo Rasamoelina: Tsy dia misy ilana izany Gaborone izany


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Kely finoana amin’ny fahitana vahaolana any Gaborone i Hary Naivo Rasamoelina.

 Mbola ao anatin’ny paikady sy tetika apetraky ny vahiny mba ahafahana manjakazaka eto amin’ny firenena ny fanatontosana ity fihaonana ity. “Porofo mitohoka amin’ny tendany ireny fehin-kevitra navoakan’ny SADC tany Windhoek ireny izay samy afaka mandika azy araka izay mahamety azy ny tsirairay. Inian’ny Sadc atao mihitsy ireny mba hampisavoritaka antsika Malagasy ary aza manantena fa hisy fanapahan-kevitra matotra horaisiny izany koa any Gaborone. Ny tanjony mantsy dia ny hampandohalika antsika Malagasy ka anaovana izay tiana eto amin’izay”, hoy ity filohan’ny antoko DHD ity.

Araka izany dia mihevitra ny tenany fa tsy dia misy ilana izany Gaborone izany. Aminy dia tokana ihany ny vahaolana “rehefa tena manana fahavononana hamaha ny krizy ny samy Malagasy ary koa mandefitra amin’izay tombontsoa katsahany fatratra izay ny fianakaviambe iraisampirenena dia milamina ny raharaha”.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT