Politique

Hary Naivo Rasamoelina «Mihaodihaody ny amboadia sy mpanararaotra»


  • Zoma 25 Febroary 2011

Mampitandrina ny FAT manoloana ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny ny antoko DHD. Tokony ho mailo, hoy i Hary Naivo Rasamoelina, filohan’ity antoko ity ny mpitondra manoloana ny fihetsik’ireo mpanelanelana izay manomana paika hampanjaka eto Madagasikara ireo firenena matanjaka sy mpangoron-karena.

«Aoka hitandrina fa mihaodihaody ny mpanararaotra sy ny amboadia», hoy izy. Nambarany fa misavoritaka hatrany ny fiainam-pirenena isaky ny migadona eto ireo mpanelanelana. Ankoatra izay dia tsy lojika koa, hoy ity mpikambana ao amin’ny CST mpanohana fatratra ny FAT ity ny adihevitra tiana hatao eto amintsika amin’ny alalan’ny fanerena ny fitondrana hifanaraka amin’ny mpanao politika rehetra. Miantso ny FAT tsy hanaiky ny fiankinan-doha tadiavina hapetraka eto i Hary Naivo Rasamoelina ary mandroso soso-kevitra momba ny andraikitra tokony horaisina ihany koa. «Maro ireo zavatra manahirana ny vahoaka fa tsy tokony ho variana amin’ny resaka politika ny fanjakana. Laharam-pahamehana ny lafiny ara-pahasalamana, indrindra ny famongorana ny pesta sy ny voalavo», hoy izy.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT