Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Tsy kilalao ny fiainam-pirenena


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Maneho ny heviny tamin’ny tsy nahatanterahan’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana. Tamin’ny resaka nifanaovana taminy no nilazany fa “rehefa nilaza izahay fa hody dia hody tokoa. Norahonana hoe midira raha lehilahy kanefa dia nosakanana hatramin’ny farany. Izahay anefa tonga hiresaka am-panajana hamahana ny olana. Naleon’ny mpitondra HAT nanokatra ny varavaran’i Madagasikara miaraka amin’ny karipetra mena amin’ingahy ministra frantsay momba ny fiaraha-miasa Henri de Raincourt”. Tamin’izay koa no nisaorany ny rehetra nanohana ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany ary ireo mpiara-miasa aminy rehetra tamin’iny raharaha iny. “Fantatray sy tsapanay fa eo anilanay ianareo”, hoy izy. “Ho an’ireo izay tsy mbola mahazo ny tianay hiaviana dia tsotra : Raha mbola fanjakana mpandroba sy tsy lanim-bahoaka no eto Madagasikara dia lavinay. Ary ny Malagasy rehetra dia afaka milatsaka hitondra ny firenena”, hoy hatrany i Guy Rivo Randrianarisoa

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT