Iray amin’ireo nahita fonja noho ny antony politika, tato anatin’izao krizy izao, i Guy Roger Rangodonarison. Mpiandraikitra ny filaminana rehefa misy hetsiky ny Ankolafy Telo, indrindra ao amin’ny Magro, na fony mbola teny Ankorondrano na ao Behoririka ny tenany. Nisy ny tafa fohy nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Tany am-ponja ianao, herintaona toy izao, mbola hita ety amin’ny Magro hatrany, tsy matahotra ny mbola hosamborina indray ?
Guy Rangodonarison (G.R) : Telo volana tany am-ponja tokoa ny tenako, herintaona toy izao. Telo sosona no niampangana ahy tamin’izany dia ny hoe famotehana voninkazo teny Ambohijatovo nandritra ny fanamarihana ny 29 martsa 2010, faniratsirana mpitandro ny filaminana ary fandraisana anjara tamin’ny fivoriana tsy nahazoana alalana. Fanenjehana izay heveriko fa natao handravana ny hetsiky ny Ankolafy telo sy hampitahorana ireo mpomba azy. Ka raha izay tahotra, tsy misy amiko ary izay no mbola ijoroako eto hatramin’izao !
T.T : Maro amin’ireo matahotra hosamborina ary misy amin’ireo efa tany am-ponja toa anao no nisafidy hiara-dia tamin’izao fitondrana izao. Ianao mba ahoana ?
G.R : Safidy ny azy ireo. Mazava koa ny safidiko. Ny hamerina ny ara-dalàna ary ny hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka hahafahany mirotsaka hofidiana indray, no efa nijoroanay sy mbola ijoroanay. Tsy izaho velively no hivadika amin’ny tolona na hamadika ny filoha Marc Ravalomanana. Sanatria !
T.T : Sarotra anefa ny fahitana ny raharaha ankehitriny, mbola misy azo antenaina ve ?
G.R : Izahay dia manam-pinoana fa ho tonga amin’ny tanjona. Jereo koa fa mandrak’ity ny androany anie ka tsy ankatoavin’izao tontolo izao ny FAT, nefa roa taona mahery teo amin’ny fitondrana, satria mpanongam-panjakana. Miandry am-patoniana izay ho fanapahan-kevitry ny SADC hivory tsy ara-potoana amin’ny 20 mey izahay. Mandra-piandry izany anefa dia hamafisinay fa mitaky ny hamoahana ireo rehetra voatana am-ponja noho ny antony politika izahay ary koa mitaky ny hahafahan’ireo Malagasy rehetra sesitany hody an-tanindrazana tsy misy raorao. Ankoatra izay, miady mba tsy hanin-droa eto amin’ity Madagasikara ity ny toy izao, ary hijoro hatrany koa izahay hanohitra ny endri-panjakana vaovao naterak’iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Rangodonarison Guy Roger
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.