«Tsy hiala eto izany aho. Tsy ara-dalàna ny zava-miseho ary tsy mifanaraka velively amin'ny lalàna velona. Tsy misy afa tsy ny tribonaly miady amin'ny fanjakana na «tribunal administratif» no afaka manala ahy amin'ny toerako. Tsy ny fanapahan-kevitry ny ministera velively no manapaka izany raha mbola tany tan-dalàna ihany koa no iainana eto Madagasikara» raha araka ny fanazavan'i Guy Maxime, Ben'ny tanànan'Ankaraobato mahakasika ny fampiatoana azy amin'ny asany.
Raha tsiahivina dia ny alarobia 26 janoary teo no nisy fampilazana azy ny mba hiala amin'ny toerany, avy amin'ny ministeran'ny fanapariaham-pahefana. Ny antony dia noho izy efa nigadra ka very amin'ny zo fototry ny olom-pirenena. Raha ny filazan'i Guy Maxime anefa dia tsy mitombina velively izany satria nampiakatra eo anivon'ny fitsarana avo ny tenany. Izany hoe mbola miantona avokoa ny mety ho fanasaziana azy. Raha jerena ny fandehan-javatra momba ity adin'ity Ben'ny tanàna ity amin'ny FAT dia hita fa mananontanona indray ny fisamborana amin'ny tenany. Ny tena ahian'ny maro aza dia ny hanalana azy eo amin'ny toerany amin'ny fomba feno herisetra. Asa indray izay hitranga fa hatreto aloha dia tsy nisy daty mazava nipetraka tao anaty «lettre de notification» taratasy fampahafantarana nalefa tany aminy ka namaritra ny fotoana tokony hialany...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.