Politique

GTT International “SOS, tsy ekena ny fankatoavana mpanongam-panjakana !”


  • Zoma 20 Mey 2011

Fandrobana, varoboba an’ireo harem-pirenena, kolikoly amin’ny ambaratonga rehetra, fidangan’ny vidim-piainana, fanosihosena ny zon’olombelona, santionany amin’ny andavanandron’ny Malagasy ireo hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny martsa 2009.

 26 volana izao no niainan’i Madagasikara anaty krizy ary dia tafakatra hatrany amin’ny roa tapitrisa mahery ireo tsy an’asa, manodidina ny an-jatony ireo gadra politika tsy mbola voatsara ary ankizy tsy ampy taona 1600 no tsy hita popoka. Ampahany ihany ireo notanisaina ireo. Iaraha-mahita fa mila tsy ho zakan’ny vahoaka intsony ny olana ara-tsosialy sy ara-pihariana nateraky ny krizy. Efa betsaka ihany izay ezaka fikaroham-bahaolana natao hivoahana amin’izao krizy izao saingy toa very an-javona izy ireny satria tsy manam-piniavana hamoaka ny firenena amin’izany olana izany ny sasany. Niaraha-nahita fa tsy nitana ny teny nomeny sy ny zavatra nosoniaviny, ohatra, ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Hatreto aloha dia tsy misy mankato ny fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina na i Namibia sy ny filohany izay mitarika ny Sadc, na ireo firenena ao anatin’ny Sadc na koa ny Vondrona Eoropeanina.

Vao tamin’ity herinandro ity aza moa dia vao mainka nohamafisin’ny kaomisera eoropeanina, Louis Michel izay tsy maha ara-dalàna ny fitondrana misy eto Madagasikara izay. Ho an’ny GTT International dia i La Frantsa no hany manampy ary tsy manafina ny fanohanany an’i Andry Rajoelina sy ny tariny. Mihantsy ny fianakaviambe iraisam-pirenena Rajoelina, hoy izy. Manoloana izany indrindra no anaovan’ny GTT International antso avo ny amin’ny tsy tokony hiraikiraiken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka ho sodokan’ny kabary tsara lahatry ny mpanongam-panjakana ary tokony handa tsy hanome ny fankatoavana.

Manao antso avo koa ny GTT mba hanindry amin’ny fametrahana ny tena governemanta tetezamita tenierana sy iaraha-mitantana ka ho hita ao avokoa ny ankolafin-kery rehetra araka izay tapaka tany Maputo sy Addis Abeba. Ankoatra izay dia takian’ity vondrona ity koa ny fanamafisan’ny fampiharana ny sazy notapahan’ny Vondroan Afrikanina ho an’ireo mpanongam-panjakana, eo koa ny famoahana ireo gadra politika sy ny fiverenan’ny filoha nofidiam-bahoaka Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Eo koa ny fanesorana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo milisy manohana ny mpanongam-panjakana. Anisan’ny angatahany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fiantohana ny fanajana ny zo fototra, eo koa ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary azo antoka.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT