Hihaona any Parisy rahampitso alakamisy 12 mey ny lehiben’ny diplaomasia frantsay, Alain Juppé sy ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina.
Manoloana izany indrindra dia nanoratra taratasy ho an’ity minisitra frantsay ity ny GTT International nilaza fa tsy tokony hisy izany fihaonana izany, izay midika fa fankatoavan’i Frantsa ny mpanongam-panjakana. 26 volana izao no nisian’ny krizy teto Madagasikara, hoy ilay taratasy ary vokatr’izany dia olona roa tapitrisa no very asa, 400 eo ho eo ireo nogadraina noho ny fanehoan-kevitra ary zaza tsy ampy taona 1600 no tsy hita popoka. Manginy fotsiny ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny faripiainan’ny olona. Mazava ny tenin’ny Vondrona Eoropeanina, hoy ihany ny fanambarana, fa dia fanosihosena tanteraka ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna no nataon’i Andry Rajoelina sy ny tariny izay naka fahefana tamin’ny alalan’ny hery ny 17 martsa 2009. Nambaran’ny GTT International ary fa dia ompa sy fandranitana ady amin’ny Malagasy izay efa trotraky ny krizy efa ho 26 volana izao ny fihetsik’i Frantsa.
Manoloana izany indrindra àry dia mangataka amin’ny Frantsa ny GTT International mba hiombon-kevitra amin’ny Vondrona Eoropeanina, hampitsahatra izay hevitra milaro fanjanahana amin’ny endriny vaovao, ary haka fepetra hentitra ho an’ny mpanongam-panjakana. Tokony hataon’i Frantsa mazava tsara ihany koa ny tena heviny, hoy ihany ilay taratasy satria zary lasa sakana amin’ny fikaroham-bahaolana tenierana izany. Tsy tokony hitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ihany koa i Renimalala ary dia miantso ity firenena ity ny GTT International mba hanaja ny fiandrianam-pirenena malagasy ary hanohana ny ezaka rehetra ho amin’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.