Politique

«Gros bras» Tsy manaiky hatao fitaovana intsony


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011

Mahatsiaro tena hataon’ireo mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny ireo tanora fantatra amin’ny hoe “Gros bras”.

Ankoatra ireo voasambotra sy migadra noho ny hetsika fanakorontanana nanakaramana azy dia hadinon’ireo mpanao politika hatrany izy ireo rehefa tody amin’ny tanjony ireto farany. Tsy manaiky hatao tohatra fiakarana intsony anefa ireto tanora ireto ankehitriny raha ny nambarany nandritra ny fivoriana notontosainy tetsy Andrefanambohijanahary ny sabotsy lasa teo. Nifanatona ka niditra anaty fikambanana antsoina hoe Fikambanana Miroso amin’ny Fampandrosoana izy ireo ary manambara ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.

Raha milaza ho tsy miaraka amin’ny mpanao politika intsony, araka ny efa nambara teo anefa ny Fikambanana Miroso amin’ny Fampandrosoana dia ireo mpitarika ny Exopoles ahitana an-dry Rasamizafy Cyril no nisolo vava azy ireo nanoloana ny mpanao gazety ny sabotsy teo. Tsy vitan’izay fa milaza ho manohana tsy misy fepetra ny filohan’ny FAT koa ireto tanora ireto no sady mangataka toerana eo anivon’ny Kongresy ihany koa. 400 eo ho eo moa no isan’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Miroso amin’ny Fampandrosoana amin’izao fotoana.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT