Politique

«Grand Sud Est» Nifamory tao Manakara


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011

Nifamory tao amin’ny Lycée Sileny Paul Manakara ny tolakandron’ny sabotsy 16 aprily teo ireo oloben’ny «Grand Sud Est».

Mijoro izy ireo hanambatra ny hery hanohitra ny fanilikilihana ny faritra, toy ny tsy ahitana zanak’i Vatovavy Fitovinany ao anaty governemanta, lazaina fa firaisam-pirenena. Mijoro hiaro ny tombontsoan’ny « Grand Sud Est » izy ireo ary mijoro koa hanohitra ny fisamborana sy fanagadrana tsy amin’antony ka mitaky ny famoahana tsy misy fepetra ary anatin’ny fotoana fohy izay rehetra lasibatra tamin’izany, anisan’izay ny Lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles, izay zanaky ny «Grand Sud Est» rahateo.

Nahatonga solontena tamin’io fihaonambe tao Manakara io ireo distrika 16, avy amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana, nahitana Ampanjaka sy solontenan-drazana. Nanangana birao ireo mpivory handaminana ny asa, ka voafidy hitarika ity birao i Bemanara Charles. Zanak’i Manakara izy, ary olon’ny Arema. Ankoatra azy dia misy filoha lefitra iray isaky ny distrika koa ao anatin’ny birao. Ny fisian’ity fivoriana ity dia midika fa mijanona ho am-bava ny tenin’ny PDS-n’i Manakara, Sileny Alban milaza fa hanakana izay fivorivoriana sy hetsika mitaky ny hamoahana an’ny Lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT