Mihamazava ny resaka ankehitriny fa dia hanara-dia ireo governementa efatra na dimy nitsangana tao anatin’izay roa taona najoroan’ny Fahefana avon’ny tetezamita izay, tsy hahazo fankatoavana ny governemanta Vital hijoro eo, raha hitsangana ihany.
Raha izao fisehony izao mantsy dia nialan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ity fitondrana ity, ary dia nanara-dia izay koa ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao natao rangopohy teny Ivato ny alarobia 09 martsa. Tamin’ny fomba diplaomatika moa no nanehoan’ny Frantsay azy, tao anatin’ilay fanambarana nataon’ny Quai d’Orsay ny 17 martsa nanehon’izy ireo ny ahiahiny tamin’ny nitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo, fa “fototra azo iaingana hananganana governemanta ilay sori-dalana raha ankatoavin’ny rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny SADC”. Misisika ny handrafitra governemanta anefa ny FAT, satria tsy te hamboly mpanohitra vaovao indray, dia ireo mpiara-dia nanohana azy hatramin’izay izay efa manomboka mampiaka-peo amin’izao fotoana manoloana ny fangala-piery ifanaovan’izy ireo samy mpitondra. Raha ny resaka novoizina ny faran’ny herinandro teo dia mety ho fantatra rahafak’ampitso alarobia izay ho mpikambana ao anatin’izany governemanta Vital izany.
Ny Troïka izay rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny SADC, tokony hankato na tsia ilay sori-dalana, anefa tsy hivory raha tsy amin’ny faran’ity volana martsa ity. Mazava izany fa tsy hahazo famatsiam-bola izay governemanta hijoro eo. Ny lojikan’izay dia tsy ho afaka hivaona loatra amin’izay voasoratry ny tetibola nolanian’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny desambra 2010 na ny firafitr’izany governemanta hitsangana izany, na ny ho isan’ny mpikambana ao anatiny, na hisy fanitsiana ny lalàna hifehy ny tetibola aza. Baraingo koa ny amin’ireo rafitra hafa toy ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, izay eritreretina fa hampitomboina ny isan’ny mpikambana ao amin’izy ireo. Mbola tantara hafa koa iny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.