Politique

Governemanta Vital Ahiana ho saro-piterahana


  • Talata 22 Martsa 2011

Nifarana omaly ny fandraisana CV ho an’ireo te ho ministra. Anio talata na rahampitso alarobia no mety ho fantatra ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Vital.

Raha araka ny fanisana natao dia governemanta faha-6 nijoro tato anatin’izao tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izao ity andrasana ity. Endriny fahatelo eo amin’ny fanovana ministra teo ambany fitantanan’ny jeneraly Camille Vital kosa hatramin’ny nanendrena azy ny 20 desambra 2009. Efa-jato mahery ny CV tonga teny Mahazoarivo ahitana mpanao politika, lehiben’antoko, teknisianina, olon-tsotra koa aza. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny ho isan’ny mpikambana ao anatin’ity ambara fa governemantan’ny firaisam-pirenena ity. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hitombo ny isan’ny ministera ary hahazo toerana ao avokoa ny solontenan’ireo vondrona politika nanao rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao.

Midika izany fa mety ho lany fotoana ihany ireo izay tsy ao anatina vondrona politika ka nanatitra CV teny Mahazoarivo satria mety efa vita mialoha ny nanasoniavana ilay rangopohy ny fizarana ny seza fa mba fombafomba ihany no atao ankehitriny. Araka ny fantatra dia tsy tonga nanao rangopohy fotsiny mantsy ireo mpanao politika teny ireo fa dia efa nahazo toky tany ambadibadika tany fa ho ao anatin’ny governemanta, sy ny Kongresy ary ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Voalaza mantsy fa ho laharampahamehana amin’ny fahazoana seza ireo tsy nahazo ny anjarany araka ny tokony ho izy taorian’ireo fifanarahana politika teny Ivato. Azo antoka koa fa tsy maintsy hahatafiditra ministra tsy latsaky ny 2 ny TIM miara-dalana amin-dRaharinaivo Andrianatoandro sy Yves Aimé Rakotoarison. Ny ritsoka mandeha ihany no nahafantarana fa mbola hisy ny manamboninahitra ao anatin’io governemanta hijoro anio na rahampitso io.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT