Politique

Governemanta vaovao Nailika i Vatovavy Fitovinany


  • Alarobia 30 Martsa 2011


Naneho ny alahelony ny zanaky ny faritra Vatovavy Fitovinany taorian’ny fananganana ny governemantan’ny FAT vaovao. Tsy vitan’ny nailika avokoa mantsy ireo zanaky ny faritra fa tsy nisy na iray aza mba natao ho minisitra. Nambaran’izy ireo fa tsy vitsy ny zanak’iny faritra iny no nandray anjara mivantana tamin’ny fananganana ny fitondrana FAT kanefa dia izao no valim-babena. Nogadraina ny kolonely Andrianasoavina Charles. Tsy naverina amin’ny toerany intsony koa ny ministry ny Jono, ny lietnà-kolonely Mandehatsara Georget, izay namana akaikin’io manamboninahitra nogadrain’ny olona notohanany mafy io. Sokajian’ireo zanak’i Vatovavy Fitovinany ho famakiana ady amin’izy ireo mihitsy izao fihetsiky ny FAT izao. Araka ny loharanom-baovao moa dia nampanantenaina fa hotendrena ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ireo minisitra nesorina.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT