Politique

Governemanta Sahirana ny Troďka gasy


  • Zoma 25 Martsa 2011

Ambatobevohoka ny fahaterahan’ny governemanta Vital. I Andry Rajoelina moa niteny fa tsy hirotorotoana ny fananganana azy io, satria io no farany hikarakara ny fifidianana.

Raha ny fahitana azy anefa dia sahirana ny Troîka gasy, Andry Rajoelina, Ratsirahonana Norbert Lala ary i Camille Vital. Ity farany izay notendrena ho praiministry ny marimaritra iraisana dia mazava loatra fa hitaky ny fahefana manandrify ny maha praiminisitry ny marimaritra iraisana azy eo amin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, izay tsinjontsinjo fa ho maro amin’ireo teo aloha no tafaverina, indrindra ireo nitana ministera goavana toy ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena.

Tsy hamela malalaka an’i Vital hanao izay tiany amin’ny fanendrena anefa i Andry Rajoelina. Ity farany dia mamahatra amin’izay voarakitr’ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato. Raha hirosoana avy hatrany anefa ny fampiharana an’io dia mazava fa sady tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena no tsy hahazo famatsiam-bola, nefa ny fifidianana tiana hatao. Miely rahateo ny feo, na tsy ofisialy aza, fa tsy ankatoavin’ny Troïkan’ny SADC iny sori-dalana iny.

Etsy andaniny, matanjaka ireo ankolafy ivelan’ny fitondrana ankehitriny, indrindra eo amin’ny lafiny diplaomatika sy ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola. Tsy ankiato ary vao maika koa aza mahazo aina ny hetsibahoaka tarihin’ny Ankolafy Telo ao amin’ny Magro Behoririka. Ankoatra izay dia mitombo an-daharana ireo antoko sy vondrona politika miombon-kevitra ka mifanantona amin’ny Ankolafy Telo. Omaly izao dia nifanantona ary naira-nivory sahady teny amin’ny “Villa Elisabeth” ny antoko Monima, tarihin’i Monja Roindefo. Re fa ho avy koa ny hafa, indrindra ireo nahatsiaro ho nataon’ny FAT fitaovana niakarana teo amin’ny fitondrana ka hifikirana amin’ny seza, ao koa ireo mahatsiaro voafitaka amin’ny fomba nitantanana ny tetezamita. Sahirana, araka izany, ny Troïka gasy.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT