Politique

Governemanta Maro ny ministra manana…dosie


  • Alatsinainy 28 Martsa 2011

Misy ny efa notsaraina teo anivon’ny heloka bevava ary mbola tokony hosamborina aza dia haiditra am-ponja.

Voakasik’izany i Pierrot Rajaonarivelo, minisi-panjakana misahana ny toekarena sy ny indostria, noho ny raharaha 2002. Misy ihany koa ny efa nigadra tany aloha tany saingy efa ela loatra angamba dia tsy fantatra intsony izany amin’izao fotoana. Efa nanan-draharaha tamin’ny fitsarana tany Maevatanana tany ny ministry ny serasera, Rahajason Harry Laurent.  Nahaliana ny mpanara-baovao ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta vaovao ny sabotsy 26 martsa teo. Fisokafana ara-politika sy fizarana seza mba ho tetezamita iaraha-mitantana ny tarigetra. Mahasolo tena tokoa ny vondrona politika misy ve anefa ireo olona ireo ? Manaraka izany, ahoana ny heloka bevava izay nataon’ny sasany ? Tsy mba nisy fanadihadiana ny mpiara-monina ve na koa fanadihadiana ny maha izy azy ilay olona natao vao notendrena ho amin’ireo toerana ireo ny sasany ? Misy endrika efa tsy zoviana noho ny tsy fisalasalany mamafy lainga mba hisamborana ny hafa na koa ny fanompany tsotr’izao fotsiny izay manohitra ny fitondrana tetezamita. Dia izao izy lasa ministra araka ny tanjony ho lasa mpitondra fanjakana hatrizay. Asa izay mety ho vokatr’izao fanendrena izao. Amin’izay indray dia vitsy ihany ny teknisianina amin’ny toerana nomena azy. Kajikajy politika ihany no nibahana tamin’ny fanendrena fa tsy ny fahaizana sy ny maha olona ireo ministra. Ho aiza ity firenena izay efa latsaka an-katerena ity ?

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT