Politique

Gisčle Rabesahala Tsy mangina na eo aza ny fahanterana


  • Talata 08 Martsa 2011

Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy maneran-tany ny anaran-dRtoa Gisčle Rabesahala mpanorina ny fikambanana Fifanampiana Malagasy.

Na dia tsy tazana tao amin’ny biraony noho ny fahasalamany somary marefo aza izy dia afaka nifampiresaka tsara tamin’ny Tia Tanindrazana mazava tsara ihany ka nanao fanamarihana fohy mikasika ny fankalazana ny andron’ny vehivavy sy ny raharaha politika amin’ny maha-mpanolotsaina politika azy ao amin’ny antoko AKFM. Nambaran-dRtoa Gisèle Rabesahala àry fa efa tany amin’ny taona 1953 no nisian’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ary tany amin’ny taona 1969 no nanangana ny vaomiera maharitra ho fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ny tao amin’ny Fifanampiana Malagasy notarihany. Nanomboka tamin’ny taona 1970 dia tsy tapaka ny naomoaka «carte postale» namidy tamin’ny mpikambana sy ny olon-tsotra ry zareo ary nahitana hatrany ny lohahevitra navoakan’ny Firenena Mikambana izany.

Taty aoriana rehefa noraisin’ny fanjakana ny fanamarihana dia niato ny hetsika fa ny vela-kevitra fampahafantarana ny andron’ny vehivavy no notohizana ary tamin’ity taona ity dia niarahana tamin’ny vehivavy AKFM tamin’ny sabotsy teo ny fanamarihana. Notsiahivin’ity vehivavy anisan’ny andrarezin’ny tolona malagasy ity fa niainga avy amin’ny fitakian’ny vehivavy amerikanina hoe asa mitovy sy karama mitovy ho an’ny lahy sy vavy ity fanamarihana ny andron’ny vehivavy ity ary teo koa ny nitakian-dry zareo ny hoe : tsy tokony hampiasaina ny ankizy kely. Dia nitohy tany Eoropa sy tany amin’ny faritra hafa ny hetsika avy eo. Tany amin’ny taona 1975 ny Firenena Mikambana no namoaka ofisialy ny fanamarihana ho iraisam-pirenena ny fankalazana ny 8 martsa ho andron’ny vehivavy maneran-tany. Tamin’ny Repoblika faha-2 kosa no nanomboka nahazo andro tsy fiasana ny ny vehivavy Malagasy ka iray andro izany tany am-boalohany ary nihena tapakandro taty aoriana.

Mahakasika ny tsy fahenoana azy tao ho ao eo amin’ny sehatry ny politika dia nambaran-dRtoa Gisèle Rabesahala tamin’ny teny fohy dia fohy fa tsy mandry ny sainy amin’ity resaka politika ity, izy rahateo efa raiamandreny lehibe efa vokivoky taona ihany (80 taona mahery). Tsy mangina tanteraka anefa izy fa anisan’ny nanao fanambarana niaraka tamin’ny antoko AKFM ohatra, nanameloka ireny zava-niseho teny amin’ny Marais Masay tamin’ny herinandro lasa teo ireny. Ankoatra izay dia mbola mitoetra amin-dry zareo ny hoe : “Ho tonga anie ny fahafahana”.

 
Manohy
 

SARY : Rtoa Gisèle Rabesahala (Fifanampiana Malagasy)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT