Politique

Georges Ruffin Leom-boananan’ny politika politisianina


  • Talata 25 Janoary 2011

Anarana tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao malagasy izany hoe Georges Ruffin izany, indrindra ho an’ireo efa niaina tany amin’ny Repoblika faha-2 tamin’ny fotoan’androny nitantanany ministera tao amin’ny governemantan’ny fitondrana Didier Ratsiraka.

Tany amin’ny naha ambasadaoro Malagasy azy tany Rôma tamin’ny taona 1998-2002 no nandrenesana azy faramparany ary matetitetika tao amin’ny haino aman-jery samihafa. Tsy henoheno firy intsony ny lehilahy hatramin’ny niverenany an-tanindrazana tamin’ny taona 2003 no ho mankaty. Saika hadinon’ny maro hatramin’ny endriny aza. «Aty amin’ny fiaraha-monina sivily (CNOSC) no miantso ahy izao dia vonona amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny traikefa kely ananako aho amin’ny maha raiamandreny ahy”, hoy ity mpanao politika ity.

Nisalasala ihany izy raha nanontaniana amin’ny mbola fahavononany hiverina amin’ny fanaovana politika raha toa ka ilain’ireo namany AREMA. «Ny any amin’ity sehatra ity mantsy», hoy ny fanamarihan’ny lehilahy, «dia efa misy ny mikarakara azy manokana ka avela ho azy ireo izany fa tsy hifandrombahana ny andraikitra. Efa politika rahateo anie no atao aty amin’itony sehatry ny fanelanelanana itony ê !” Mety efa leom-boananan’ny politika politisianina toa ireo namany maromaro tsy hita tabilao intsony i Georges Ruffin na anisan’ireo mitandrin-tena fatratra ihany koa fa fantatry ny maro ihany ny mahazo ny mpanao politika malagasy amin’izao fitondrana FAT izao.

Manohy
 
SARY : Raiamandreny Georges Ruffin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT