Politique

Gadra politika 94 no mbola tavela any am-ponja


  • Alakamisy 12 Mey 2011


Olona manana ny maha izy azy ny ankamaroan’izy ireo, nijoro hanavotra ny firenena teo anoloan’ny mpandroba, mpampihorohoro, mpandoro tanàna sy ireo mpanosihosy ny demokrasia sy tsy mpanaja zon’olombelona nefa dia fanenjehana nisy natao hazalambo ary fonja no niafarany. Miisa 94 izy ireo, ao ny efa voatsara saingy maro no tsy mbola nandalo fitsarana, ka tranainy indrindra amin’ireny Ralitera Andrianandraina, Talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ireo mpiara-miasa akaiky taminy, izay 25 volana am-ponja tsy mitsara. Any Tsiafahy ny 62 amin’ireo gadra politika ireo, ao Antanimora ny 28, voatana ao Ambatolampy kosa ny 2 ary 1 avy any Antsirabe sy Manjakandriana. Manampy azy ireo i Marc Ravalomanana izay nohelohin’ny FAT tamin’ny fividianana fiaramanidina “Force One II” sy ny raharaha “7 febroary”. Natokana ho fanohanana sy fankaherezana azy ireo ny hetsika tao amin’ny Magro omaly. “Maherifon’ny firenena” no iantsoan’ny mpandala ny ara-dalàna azy ireo. Ireto farany izay mitaky ny hamoahana azy ireo tsy misy fepetra sy tsy arahin-tsazy ireo gadra politika ireo.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT