Teo amin’ny fiaingan’ny delegasiona hihazo an’i Gaborone renivohitr’i Botswana omaly alahady 05 jona dia efa nitranga ny olana, asa izay ho fiaingany rehefa tena hiditra amin’ny adihevitra.
Nifandrotehana mantsy izay ho delegasionin’ny Arema. Andaniny ry Vaovao Benjamin sy ny ekipany, ankilany ny Pr Ange Andrianarisoa sy ny Collège National niaraka taminy. Iray amin’ireo vondrona 11 nasain’ny SADC hihazo an’i
Nitarika fihemorana ora roa tamin’ny fiaingan’ny fiaramanidina iraisana nofain’ny SADC hiondranan’ireo delegasiona rehetra io raharaha io, satria dia voatery nangata-panazavana tany amin’ny Amiraly Ratsiraka sy ny SADC ny Pr Ange Andrianarisoa teo anatrehan’izany. Ny niafarany dia tsy lasa ity farany sy ireo mpikatroka Arema nandrafitra ny delegasiona Arema tokony ho notarihiny. Afaka niainga kosa ny tarik’i Vaovao Benjamin. Tamin’ny ankapobeny kosa dia tsy nanana olana ireo delegasion’ny Vondrona hafa, dia ny Escopol tarihin’i Benjamina Ramanantsoa, “Les Autres Sensibilités” miaraka amin’i Voninahitsy Jean Eugène, Hpm miaraka amin’i Ndremanjary Jean André, Mdm tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo, Tgv misy an’i Andry Rajoelina, Uamad/Monima ahitana an’i Monja Roindefo, Udr-C notarihin’i Lahiniriko Jean ary ny Ankolafy isany, Ratsiraka notarihin-dRamisandrazana, ny ankolafy Ravalomanana ary ny ankolafy Zafy izay notarihin’ny Pr Zafy Albert izy tenany miaraka amin-dry Emmanuel Rakotovahiny. Raha ny voafaritry ny SADC mpanasa, dia dimy isaky ny delegasiona ka iray ny filohany ary efatra ny mpikambana isaky ny vondrona, no mandeha, saingy nisy tamin’ireo vondrona ireo no nihoatra io fetra isa io no niondrana any
Saika olona efa nandalo fonja tao anatin’izao fitondrana FAT izao ny ankamaroany. Naseho ho fanta-bahoaka ary notsofin-drano tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 04 jona niaraka tamin’ireo mpikamban’ny delegasion’ny Ankolafy Ratsiraka sy Zafy izy ireo. Nitondra teny ireto delegasion’ny Ankolafy Telo handeha ireto i Manandafy Rakotonirina, izay nilaza fa trosa hiarahana mizaka ny fampodiana ireo filoha roalahy dia ny amiraly Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ary ny hametrahana fitondrana marim-pototra eken’ny rehetra sy ankatoavin’izao tontolo izao.
Vahoaka maro no mbola nanotrona azy ireo teny Ivato omaly. Ankoatra izay dia lasa nihazo an’i Gaborone omaly ihany koa i Andry Rajoelina na dia teo aza ny teny mametraka fepetra nataony teny an-tranony ny 21 mey, narahina vavabe tao Analavory ny zoma 27 mey fa tsy handeha raha tsy sonia sisa no hatao any Gaborone. Fiaramanidina manokana no niondranany sy ny delegasionin’ny TGV tarihiny, niala avy ao amin’ny BANI Ivato. Nentiny niara-dia aminy ry Ratsirahonana Norbert Lala, Yves Aimé Rakotoarison, Elysé Ratsiraka ary i Laurent Harry Rahajason. Nezahin’ny FAT nasisika any anaty vondrona ireo nisintaka tao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, toa an’i Vyvato Rakotovao (Escopol), Rafatrolaza Bary Emmanuel (
Jean D.
Sary : Fahatongavan’ny delegasiona tany Gaborone
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.