Antomotra ilay fihaonana, ala nenina amin’ny fikarohana vahaolana hamaranana ny krizy, izay hatao any Gaborone renivohitr’i Botswana.
Raha ny zavatra hita dia mipararetra ireo mpitondra ao amin’ny FAT, mivadika koa ny lelan’ireo nisintaka tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara, rehefa nahazo toerana amin’izao fitondrana izao. Ny elatra niara-dia amin-dRaharinaivo moa dia efa namafa tanteraka ny anarana Ankolafy Ravalomanana nisalorany nentina nakana toerana tamin’ny aogositra 2010. Mpikambana ao amin’ny Escopol ny elatra Raharinaivo ankehitriny, ary efa mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa dia hanohana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ho avy eo izy ireo. Ny elatra tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison indray dia manahy fatratra ny hoaviny aorian’io fihaonana any
Aely amin’ireo mpiara-dia amin’ity elatra faharoa nisintaka tamin’ny Tiako i Madagasikara ity koa ankehitriny ny filazana fa any am-ponja avokoa no hiafaran’izy ireo raha tafaverina eto i Marc Ravalomanana, ka tsy misy afa-tsy ny fanakanana ny fiverenan’ity farany no hampilamina ka hijanona eo amin’ny fitondrana. Resabe avokoa, araka izany, ny filazana fa dia aleo miditra any anaty rafitra, dia ao manohy ny tolona amin’ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha mpanorina ny Tiako i Madagasikara fa izy ireo mihitsy ankehitriny no hitsivalana amin’ny fiverenan’io sesitany atsy Afrika Atsimo io an-tanindrazana.
Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa dia efa tsy any amin’io fodian-dRavalomanana io intsony izao no olana. Efa kaontiny milamina ny amin’io. Araka ny loharanom-baovaonay dia handray an-tanana azy io ny Afrikanina Tatsimo sy ny SADC, amin’ny alalan’ny vaomiera manokana izay hajoro. Any amin’ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana hoavy eo no ifandresen-dahatra ankehitriny satria toa misy firenena mifamatotra ara-tantara amintsika fantatra fa tsy mankasitraka ny hilatsahany hofidiana, ary izay indrindra no anisan’ny lahadinika hodinihina any
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.