Politique

Gaborone Kepoka ny FAT


  • Talata 07 Jona 2011

Dila iny ny andro voalohan’ny fihaonana any Gaborone. Tsy nisy resaka sori-dalana vita sonia aloha hatreto, raha izay no tanjon’ireo vondrona politika miara-dia amin’ny Fahefana Avon’ny tetezamita ka nanao rodobe any an-toerana.

 Fanokafana fivoriana, fiaraha-misakafo na tsy nandray anjara tamin’izany aza i Andry Rajoelina, ary dinika fakan-kevitra ataon’ny SADC amin’ireo vondrona politika sy ankolafy tsirairay ankoatra ny dinika manokana ifanaovan’ny samy vondrona voaasa any Gaborone no nanamarika ny andro voalohan’ity fihaonana ambara fa alanenina any Botswana ity. Hitohy amin’ny dinika sy adihevitra anatin’ny fivoriana itambaram-be izany anio. Kepoka ny FAT satria hatreto dia tsy misy resaka sori-dalana nankatoavina, na efa vonona ny hanasonia fotsiny aza izy ireo dia mody.

Nanamarika izany rahateo ny filohan’i Namibia sady filoha am-perinasan’ny SADC, Hifikepunye Lucas Pohamba tamin’ny kabary fanokafana tao amin’ny hotely «Grand Palm» omaly fa tsy hanao sonia izany fotsiny no hatao fa hitady ny vahaolana maharitra ary tsy maintsy tondrozotra eken’ny rehetra no mivoaka eo. Mazava ny resaka hatreo, fa miverina mifampidinika avokoa ny rehetra handrafetana tondrozotra ifanarahana. Ankoatra izay dia napetraky ny SADC mazava fa diniky ny samy Malagasy no tanterahina ao Gaborone, ka tsy misy tombo sy hala na fikarakarana manokana, fa dia mitovy lasitra avokoa ireo vondrona miisa 11 nasaina handray anjara amin’ity fihaonana ity.

Teny amin’ny latabatry ny TGV ny toeran’i Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana. Izy anefa efa nilaza fa rava ny ankolafy Rajoelina ary tsy mitarika izany intsony ny tenany. Samy nanana ny toerany avy kosa ireo vondrona fito hafa, Arema, Les AS, Escopol, Hpm, Mdm, Uamad/Monima ary ny UDR-C sy ny ankolafy isany Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana. Na mbola fakan-kevitra aza ny omaly dia misongadina ny tsy maintsy hodian’ny filoha isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka an-tanindrazana, hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Mazava eto koa izany fa dia tsy manan-kery amin’ny SADC ilay raharaham-pitsarana maimaika momba ny “7 febroary 2009”. Ankoatra izay dia tsy azo hihodivirana ny tsy maintsy hampiharana ny lalàna mikasika famotsoran-keloka ary koa ny fametraham-pialan’i Andry Rajoelina enim-bolana mialoha raha hilatsaka hofidiana izy. Raha io dia mazava fa hijanona ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina. Atoa Marc Ravalomanana moa tetsy andaniny nilaza tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ireo mpiara-dia aminy, izay misy 25 be izao no any Gaborone, fa tsy handray anjara mivantana amin’ny tetezamita hajoro eo ny tenany. Na izany aza tsy maintsy mahita hevitra iraisana, hamerenana ny demokrasia aty Madagasikara. Ankoatra izany dia nambarany fa “malahelo ny Vahoaka malagasy sy ny tanindrazako aho ary tsy maintsy tafaverina any dia milatsaka. Minoa fotsiny ihany !”.

Raha voatana io fametraham-pialana enim-bolana mialoha io dia mazava fa tsy tratra ilay fifidianana kasain’ny Fahefana avon’ny tetezamita hatao amin’ny volana septambra 2011, indrindra moa fa raha hatao eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana sy Vondrona Afrikanina ary ny SADC izany. Ankoatra izay dia rafitra asiam-panovana no handraisan’ny Ankolafy telo anjara amin’ny tetezamita. Santionany amin’ny hevi-dehibe nivoitra omaly ireo, entina milaza fa dia ho sori-dalana vaovao no hivoaka any Gaborone. Hisy fivoriana iraisana hatao anio, handrafetana farany izany.

Ny fivorian’ny SADC hatao any Sandton Afrika Atsimo amin’ny 11 jona izao koa no hankatoavana izay tapaky ny rehetra eo. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia misy amin’ireo delegasiona tonga any Gaborone no romotra, ao indray ireo tezitra, ny hafa moa mangatsiaka. Tsy mbola nisy nitsoa-pahana anefa na nilaza fa handao ny toeram-pivoriana ka hody fa dia samy mbola manohy. Maro amin’izy ireo rahateo no manantena fa hahita vahaolana, satria dia hotsarain’ny tantara izy ireo. Hita ho samy niezaka nampandefitra ny hambom-po ny tsirairay. Tonga nanatona niarahaba sy nandray tanana ny Filoha Ravalomanana i Yves Aimé Rakotoarison, raha toa ka nandalo sy niserana tsy nanaja kosa i Bary Rafatrolaza. Toy izany koa i Pierrot Rajaonarivelo niarahaba sady nandray tanana ny Amiraly Ratsiraka.

 

Jean D.

 

Sary : “Malahelo ny Vahoaka malagasy sy ny tanindrazako aho ary tsy maintsy tafaverina any dia milatsaka. Minoa fotsiny ihany !”

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT