Politique

Gaborone Iombonana ny dia fa ny zavatra hatao no tsy mampitovy hevitra


  • Talata 24 Mey 2011

Tato anatin’ny roa taona mahery izao dia miaina anaty toe-draharaha politika hafa dia hafa ny Malagasy.

 Narahina fampihorohoroana ara-tsaina amin’ny fafy lainga ilay fanonganam-panjakana. Tamin’ny andro fahiny no mety nandaitra ny famafazana lainga fa tsy amin’izao andron’ny teknolojia isian’ny aterneto sy ny finday izao. Naely tamin’ny fampitam-baovao samihafa fa nisy nanao sabôtazy ny fiaramanidina nitondra ny filohan’ny FAT nihazo an’i Zambia. Nilaza anefa ny mpanao fanadihadiana fa tsy mitombina izany, fa olana teknika. Farany teo indray dia nisy andian’olona nasaina nihoby erak’Antananarivo ny zoma 20 mey alina fa hoe nekena tany Namibia ny sori-dalana ary nankatoavina ny FAT. Fiara mihaja nampaneno anjomara tamin’izany sady nitondra ireo mpihorakoraka manofahofa sainam-pirenena.

Teo amin’ny resaka teny no olana sa fanahiniana avadika tsotra izao ny vaovao ? Raha ny voarakitr’ilay fanambarana tokoa mantsy dia mazava ny ao amin’ny andininy faha-11 fa efa hitan’ny Sadc ilay tondrozotra fa misy fivoarana. Ny andininy faha-12 milaza fa tsy varotra omby anaty ambiaty ny fankatoavana. Mihavàna aloha ny ankolafy mifanolana amin’ny krizy. Irahina ingahy Chissano hikarakara izany. Ary ny andininy faha-13 manambara fa tsy mbola misy resaka fifidianana izany. Tetezamita tena iombonan’ny rehetra tsy misy banga aloha. Any Gaborone-Botswana ny rehetra no hampihaonin’Ingahy Chissano miaraka amin’ny Prezidàn’ny SADC sy ny filohan’ny Vaomieran’ny politika sy ny fiarovana ary ny fandriampahalemana. Fehiny, tsy mbola nandrombaka fandresena araka izay nankalazaina tsy akory ny FAT, satria fantatry ny Sadc fa tsy niarahan’ireo rehetra tokony ho voakasika amin’ny fitantanana ny tetezamita ilay tondrozotra.

Araka izany dia samy nanana ny fandraisany an’iny fanambaran’ny Sadc iny ny rehetra. Fandresen`ny vahoaka malagasy, hoy ny ankolafy Ravalomanana, fanekena ny sori-dalana iny, hoy kosa ny Fat sy ireo mpanara-dia azy, araka ny voalaza tetsy ambony. Iombonana kosa ny dia ho any Gaborone fa ny zavatra hatao any no tsy mampitovy hevitra. Ny iray milaza fa hifampidinika, ny ankilany kosa miziriziry fa fanaovan-tsonia fotsiny ihany sisa no hatao any. Dia andrasana araka izany ny ho vokatr`io fihaonana io. Ny filoha Marc Ravalomanana moa dia efa naneho ny fahavononany hiatrika io fihaonana io. Izany rahateo no efa notakian`izy ireo hatrany am-piandohana. Ingahy Rajoelina kosa dia nilaza hiandry fanasana ho azy manokana amin’ny anaran’ny maha filohan’ny tetezamita azy.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT