Politique

FRDL Mbola “Sans qualité” ihany i Andry Rajoelina …


  • Alakamisy 09 Jona 2011

Tokony hanamafy ny maha tsy mitanila, ny fanajana ary ny ara-dalŕna ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy ny Vondrona Eoropeanina sy afrikanina ary ireo rafitra isam-paritra toy ny Sadc ary dia nijanona ho “sans qualité” i Andry Rajoelina nanoloana ny vondrona afrikanina tany Gaborone.

 Tsy ho azo miaraka manko ny dibera sy ny volan’ny dibera, hoy ny Front Républicain Démocrate Légaliste na ny Frdl tarihin’i Ambroise Ravonison. Ho tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka ao aminy dia miantso ireo vondrona politika rehetra ny Frdl mba hiaro izay tombontsoa sy ny hoavy mamiratra ho an’ny taranaka. Etsy andanin’izany dia nambaran’ity antoko ity fa tsy afa-miaraka ny fanafoanan-tsazy sy ny tsy maha maty manota raha toa ka hanokatra lalam-baovao isika, raha toa ka hiady amin’ny kolikoly isika na koa hisian’ny fahaiza-mitantana ao anatin’ny fanajana ny repoblika, ny tany tan-dalàna, ny demokrasia sy ny zon’olombelona, hoy ihany ny Frdl. Fanontaniana efatra no tokony hovaliana amin’ny fo tsy miangatra, raha tiana ny hanampy ny fianakaviambe iraisam- pirenena hitady izay vahaolana maharitra.

Anisan’ireo fanontaniana àry ny hoe midika ho fitonian’ny vahoaka, ny fahatokisana ary ny fahalalahana sy filaminana ve ny fandraisan’ireo mpifanandrina politika anjara na tsia amin’ny fitantanana ny tetezamita tsy mitanila sy azo antoka hatrany amin’ny fifidianana ? Izany fandraisany anjara izany ve dia hanafoana ny toetsaina feno fankahalana, valifaty sy hambom-po diso toerana ary hampijanona ihany koa ny fanaovana politika maloto eto amintsika efa ho 50 taona izao ka nampahantra an’i Madagasikara ? Santionany ihany moa ireo fa ny fametrahana tetezamita tsy mitanila hanomanana ny fifidianana mangarahara sy azo antoka, malalaka dia fiandohana tsara hahazoana ny fahatokisan’ny vahoaka. Ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny tetezamita dia tsy tokony ho azo fidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Ankoatra izay dia heverin’ny Frdl fa dingana lehibe amin’ny fametrahana fahatoniana sy ny fampihavanana ny fiverenan’ireo sesitany politika any ivelany, ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka na sivily na miaramila, ny fampijanonana tsy misy fepetra ny famoretana. 

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT