Raikitra ny ady mangatsiaka eo anivon’ny minisitry ny Foloalindahy sy ny Cemgam. Samy mikasa ny hifanala amin’ny toerany ny roa tonta.
Raha araka ny fantatra dia nandefa taratasy feno sonia teny amin’ny fiadidiana ny FAT ny Cemgam nialoha ny fanovana governemanta ny martsa 2011 farany teo. Ny antony dia mba ho fangatahana ny hanala ny minisitry ny Foloalindahy amin’ny toerany noho ny fikasan’ny minisitra hanafoana ny Cosofam na ny vondron’ny manamboninahitra lefitra. Faharoa dia ny fanoherany ny fiakaran’ny manamboninahitra lefitra sasany galona ho manamboninahitra. Anisan’ny nanao sonia io fangatahana io ny mpiara-miasa akaiky eo anivon’ny Cemgam sy ny tale maro ary koa ny manamboninahitra lefitra sasany. Tsy voasolo anefa ny minisitra na dia niova aza ny governemanta.
Ny antony dia teo ny tanan’ankavanan’ny filohan’ny FAT izay niady ny hijanonany eo. Very hevitra tanteraka i Andry Rajoelina ka ny niafarany dia ny nitazona amin’ny toerany ny minisitra. Amin’izao fotoana dia tonga eo am-pototsofin’ny minisitra ny vaovao mahakasika izany ary mazava ho azy fa tsy maintsy mandray ny fepetra mifanandrify izy dia ny fanalana ny Cemgam. Ity farany indray dia nampitomboiny ny sonia ary mamory miaramila maro hatrany tato ho ato mba hanamafisana ny fitakiana. Tsy izany ihany, araka ny vaovao azo, fa misy ny fandrahonana ny hanao zavatra mafimafy kokoa raha tsy to ny fikasan’izy ireo. Raikitra izany ny ady mangatsiaka eo anivon’ny roa tonta ary heverina fa mamono ny afo ny anton’ny nampiantsoana ny mpanao gazety tetsy Ampahibe farany teo mba hialana amin’izay mety ho feo efa mivoaka na koa mba hahafantarana sahady sao efa fantatry ny haino aman-jery ny vaovao ka tohanana dieny vao manomboka…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.