Politique

Fizarana toerana Maro ireo minisitra sahiran-tsaina


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Roa herinandro aty aorian’ny nanendrena azy dia mbola misy amin’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta Vital no tsy mbola naharafitra tsara ny mpiara-miasa akaiky aminy.

Ao ireo sahirana mihitsy mitady ny olona hanaiky ny hiara-kiasa aminy, fa ao kosa ireo sahiran-tsaina noho ilay naoty sy teny midina avy any amin’ny fiadidiana ny praiministra izay nilaza fa tsy azo atao ny manolo ireo tompon’andraikitra ambony ara-teknika rehetra teny anivon’ireo ministera. Noaty nivoaka taorian’ny resaka nandeha fa hanavao tanteraka izay ho mpiara-miasa aminy ny tao amin’ny ministeran’ny angovo. Mazava anefa ny resaka fa governemanta politika tanteraka ny mijoro amin’izao fotoana, ary ahitana ireo ankolafy politika maro samihafa nifanandrina sy nifanenjika hatrizay, koa mety hanahirana, araka ny nambarana tompon’andraikitra iray miasa amina ministera eo Anosy ny mahita hoe minisitra avy any amin’ny ankolafy Ravalomanana hiara-kiasa amina mpanao politika avy ao amin’ny UDR na TGV izay nahazo toerana tao anatin’ny ministera tamin’ny fitantanan’ny minisitra teo aloha.

Raha araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ihany dia ho sahirana ireo olom-baovao, indrindra fa ireo avy amin’ny ankolafy hafa ankoatra ny ankolafy Rajoelina ao anatin’ny governemanta Vital raha tsy afaka hanova mpiara-miasa izany satria tsy mbola niravona tsara ny disadisa politika eto amintsika ary toa samy mifampiandriandry izany fotsiny ny rehetra. Ny ratsy amin’izay, araka ny filazany ihany, dia mety hitarazoka ny asa eny anivon’ny ministera sasany ka ho avy indray ny olana sy ny fifandirana izay mety hitarika ny fanoloana ilay minisitra, izay hanaratsy endrika ny governemanta sy ny fitondrana tetezamita anefa.

Tsy mora ny fametrahana ilay hoe fiaraha-mitantana, indrindra raha tsy feno ny fepetra hametrahana ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, sy ny fisian’ny mpanao politika mamadika palitao ka misandoka ny anaran’ny ankolafy nisy azy teo aloha. Mampitombo ny ahiahy tsy hihavanana izany, satria tena sarotra tokoa araka ny fanambaran’ny mpandinika ny tontolo politika iray ny hanavaka ny hoe olona tena vonona ny hanafaingana ny asan’ny fitondrana tetezamita mba hivoahana amin’ny krizy marina ve ireo maro be namadika palitao ka niditra ao anatin’ny governemanta ireo sa niditra ao fotsiny mba hanakorontana satria tsy ampy intsony ny tolona natao teny an-kianja ?

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT