Politique

Fivoriana any Gaborone Hotanterahana ny 05 jona ho avy izao


  • Talata 24 Mey 2011

Araka ny tsiliantsofina re dia ny alahady 5 jona ho avy izao no hotanterahana ao amin’ny foiben’ny SADC any Gaborone Botswana ilay fivoriana fiala-nenina farany eo amin’ny ankolafy politika rehetra ho fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy eto Madagasikara.

 Filoha telo mirahalahy manana ny lanjany ao anatin’ity fikambanana ity no hitarika ny fivoriana, dia ny filoha Zambianina Ruphia Banda izay filohan’ny vaomieran’ny politika sy ny filaminana ary ny fiaraha-miasa ao amin’ny SADC, ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma ary ny lehiben’ny mpanelanelana, Joaquim Chissano. Tsy ho anisan’ireo hanatrika ny fivoriana kosa, araka ny tsiliantsofina re ihany ny Dr Leonardo Simao izay tsikaritry ny maro na teto Madagasikara izany na tany ivelany fa somary nitongilana tamin’i Andry Rajoelina sy ny FAT. Tsy mbola mazava tsara kosa anefa hatramin’izao ireo hanatrika ity fivoriana any Gaborone ity. Ireo lehiben’ny ankolafy 4 nanomboka ny fifampidinihana tany am-piandohana ve sa ireo vondrona sy ankolafy politika azo atao hoe lehibe eto Madagasikara izay niforona tao anatin’ny krizy tahaka ny UDR, ny Escopol, ny les AS sa ireo rehetra nanao rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato ny 9 martsa 2011 ? Mbola ifandroritan’ny mpanao politika eto an-toerana mantsy ny fandikana ilay hoe : «toutes les parties prenantes» araka ny voasoratra ao amin’ilay fehin-kevitra momba an’i Madagasikara navoaky ny SADC ny zoma 20 mey teo.

Raha araka ny feo mandeha ihany dia mety hisy ny lisitra mazava misy ny anaran’ireo ankolafy politika tokony handefa solontena any Gaborone hivoaka ato ho ato. Ny azo antoka fotsiny aloha hatreto dia voaasa hanatrika ity fivoriana ity ny filohan’ny FAT sy ireo filoha teo aloha telo mirahalahy mitarika ny Ankolafy 3 ary tsy maintsy hisy ny fihaonana manokana eo amin’izy ireo. Efa vinavinain’ireo mpanara-baovao politika ihany koa ary manomboka ambaran’ireo gazety mpiseho isan’andro sy ny filazam-baovao sasany any Afrika fa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana any Gaborone amin’io 5 jona io ny fampifanatrehana an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT