Anio no handinika ny dosie Madagasikara ny Troďka an’ny SADC izay hivondronan’ny komisionina telo dia ny politika, ny fiarovana ary ny fandriampahalemana izany.
Ny filohan’ny Repoblika zambiana Rupiah Banda, ny filohan’i Afrika Atsimo, Jacob Zuma, ary ny filohan’i Mozambika, Armando Guebuza, no hitarika io fifampidinihana io. Efa niara-niombon-kevitra ny filoha malagasy voafidim-bahoaka telo nifandimby ny amin’ny fitsipahana ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato, fitsipahana ny fitondrana misy amin’izao fotoana ary indrindra koa ny fitsanganan’ny governemanta izay nolazaina fa iombonana kanefa saika ireo mpanao politika voatsipaka tao anaty ankolafy na koa manana dosie avokoa ny mpikambana ao anatiny. Ny filoha Ravalomanana no nitondra ny tenin’izy telo mirahalahy ireo ary efa tafita soa aman-tsara ny hafatra sy ny hetahetan’izy ireo. Fantatra ihany koa ny fifandraisana tsara eo amin’ny Filoha sy ireo namany hafa ao Afrika Atsimo sy Zambiana ary Mozambikana, hany ka tsy misy tokony hampanahy intsony izay mety ho fanapahan-kevitry ny Troïka.
Na izany aza anefa dia an’ity farany ihany ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny FAT koa mantsy raha araka ny fantatra dia efa nandefa «mpisolovava» tany an-toerana mba hanohana azy. Matoa anefa tsy notanterahina tamin’ny 18 martsa fa nahemotra ho amin’ity anio ity ny fivorian’ny Troïka dia azo antoka fa mahafantatra tsara ny zava-nisy ny toe-draharaha eto Madagasikara izay tsy tafona afenina akory ireto mpitarika ny Troika ireto. Andrasana izany anio ny hitsipahan’ny Troika iny sori-dalan’i Simao izay mitarika ny firenena any amin’ny kizo ity…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.