Politique

Fivorian’ny SADC Nihemotra herinandro


  • Alarobia 06 Aprily 2011

Raha voatondro hatao amin’ny 08 aprily izao ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny Vondrona SADC tokony hanapa-kevitra (farany) momba ny raharaha Madagasikara araka ny fiantsoana fivoriana nataon’ny Troïka izay nivory tao Livingstone Zambia ny 31 martsa teo, dia fantatra tamin’ny ora farany fa dia mihemotra herinandro eo indray izany.

Tsy misy daty mazava anefa hatreto ny amin’io fanemorana io, fa tombantombana ny hoe amin’ny 14 na 15 aprily any indray izany. Nahazo fanalavam-potoana herinandro mahery hijanonany eo amin’ny toerany indray aloha izany ny Fahefana avon’ny tetezamita. Ity farany izay manezaka mafy amin’ny serasera fa dia ho avy ny fankatoavana iraisam-pirenena. Nadikany ho izay, ohatra, ny taratasy fampirisihana avy amin’ny Maorisianina, tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahininy, Arvin Boolell, manohana hatrany amin’ny hahitana vahaolana hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara, ka handrafetana miaraka ny lalàna mazava hahafahana mikarakara fifidianana madio, mangarahara ary mahaleotena. I Maorisy moa no filoha mitarika ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na COI.

Etsy ankilany anefa dia mpikambana feno ao amin’ny vondrona SADC ihany koa ny Nosy Maorisy, ka sarotra ihany ny handraisana fa fankatoavana izao fitondrana mijoro izao ny taratasy nalefan’ny minisitry ny raharaham-bahininy, satria tsy mbola nanapa-kevitra ny amin’izany ny Vondrona SADC. Amin’ny lafiny iray indray dia midika izao fanemorana fivoriana izao fa zava-dehibe loatra, ka tsy tokony hisy fahadisoana ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’io fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC handinihana ny raharaha Madagasikara io, ka aleo maka bahana tsara, hisainana sy hamakafakana lalina ny zava-mitranga rehetra mba tsy hodisoin’ny tantara, satria dia iankinan’ny hoavin’ny Vahoaka 20 tapitrisa izay fanapahan-kevitra horaisina eo, ary koa ny fiandrianam-pirenena iray manontolo mihitsy.

Araka ny fantatra dia mitohy ny fifanatonana samihafa sy fifanakalozam-baovao amin’ireo samy filoham-pirenena any ivelany any. Ny filoha Marc Ravalomanana, raha niditra an-tariby nampita vaovao tamin’ireo mpiara-dia aminy ny sabotsy lasa teo dia nilaza fa hihaona amin’ireo filoham-pirenena samihafa manomboka ny alatsinainy lasa teo.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT