Politique

Fivorian’ny SADC Ahiana ho foana !


  • Talata 17 Mey 2011

Mandeha ny feo fa dia ahiana ho foana ilay fivoriambe tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny vondrona SADC izay kasaina hatao ny 20 mey izao.

 Anisan’ireo heverina fa anton’ny fanafoanana ity fivoriana ity ny filazana ataon’ny FAT etsy sy eroa milaza fa hanao fifidianana. Rehefa tsy ilaina ny SADC dia avelao amin’izao araka ny tsiliantsofina re avy amin’ireo diplaomaty avy amin’ity vondrona ity any Afrika atsimo. Tsara ny manamarika fa fivoriana tsy ara-potoana nokasaina natao handinihana ny olana eto Madagasikara ity hatao ity. Omaly ihany, araka izany, dia nihazo an’i Afrika Atsimo ny filohan’ny FAT. Tamin’ny 3 ora hariva izy sy ireo delagasionina notarihiny ny niala teny Ivato. Ny zava-misy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena dia miara-manaiky fa tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy ny FAT raha tsy ny SADC no manaiky. Ity vondrona ity mantsy no eken’ny sehatra iraisam-pirenena mamaha ny olana eto an-toerana. Mihasarotra, araka izany, ny toe-draharaha. Miezaka miala rahateo amin’ny firehana telo ny FAT izay vao mainka mampitombo ny olana.

 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT