Politique

Fivorian’ny Parlemanta Kaontin’ny vita hatreo !


  • Talata 15 Febroary 2011

Olona vinitra, miady saina … Izany indray no hita soritra amin’ny endrik’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita eny Tsimbazaza tato ho ato.

Miketrika mafy ary tsy tapaka mivory etsy sy eroa indray ireo mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ao Anosikely. Rehefa tomorina sy nohadihadiana akaiky dia tsapa fa diso fanantenana ny ankamaroany fa mety tsy ho raikitra intsony ilay fivoriana tsy ara-potoana efa nandrandrain’izy ireo fatratra fa hatao ny faramparan’ny volana janoary na ny fiandohan’ity volana diavina ity. Misasaka ihany anefa ity ny febroary, tsy mbola hita manangasanga ny amin’izany, nefa efa natao laza masaka ireo lahadinika hivoriana toy ny hoe : ny fandihihana ireo fepetra hampisy fahatoniana eto Madagasikara, ao anatin’izany ny lalàna hifehy ny mpanohitra, ny famotsoran-keloka, ny asa fanaovan-gazety, ny fampihavanam-pirenena …

Mandrak’ity anefa ny anio tsy hita be ihany ny didy hitsivolana mampiantso izany fivoriana tsy ara-potoana izany. Mihevitra ireto Parlemanteran’ny tetezamita ireto dia efa kaontin’ny vita hatreo ny amin’io fivoriana io. Manoloana izany dia manomboka mandeha ny resaka mahakasika ny fitantanana, indrindra ny lafiny ara-bola eny Tsimbazaza eny, ka andrenesana feo fa antsasa-tambinkarama hatrany no azon’ny mpikambana tamin’ny fivoriana in-droa miantoana ny oktobra sy desambra 2010. Mety ho ny tsy fisian’ny mangarahara mikasika izany koa no tsy mampisy ilay fivoriana, izay raha heverina dia mandany vola ihany ka mety tsy zakan’ny tetibola. Aiza koa moa ny loharanom-bola haharaka izany ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT