Politique

Fivorian’ny Escopol Tsy nisy zava-banona omaly


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Ambohipihaonan’ireo mpanao politika avy ao amin’ny Escopol tetsy Ambatoroka omaly tolakandro. Tohin’ny fivoriana efa natomboka ny alatsinainy izany mba handravonana ny disadisa anatiny ka niteraka ny fivakisan’ity vondrona ity.

Samy nantsoina tamin’io fivoriana io ny antoko politika ao anatin’ny Escopol amin’ny endriny ankehitriny ny exopoles miaraka amin-dry Rasamizafy Cyril ary ny Escopol ahitana an-dry Elia Ravelomanantsoa sy Ramanantsoa Benjamina. Tsy nanoina ny antso ireto farany. Lany tamin’ny fifandaharana sy fifamaliana am-bava anefa ny androatokon’ny fotoana tamin’io fivoriambe io ary ny tora-po no tena nibahan-toerana. Tsy mbola niditra tamin’ny votoatin-kevitra dia efa nikatso ny raharaha. Adiny iray mahery vao niroso tamin’ny lohahevitra voalohany dia ny fametrahana ireo fepetra fandraisana ny mpikambana vaovao.

Vao mainka anefa nitarika korontana izany satria misy ireo mihevitra fa izay antoko na fikambanana nanao sonia tamin’ny fifanarahana teny Ivato sy Vontovorona, nahaloa ny latsakembola iray hetsy ariary ary tsy mikambana anatin’ireo vondrona hafa toy ny HPM na UDR no mahazo miditra ao anatin’ny Escopol. Ankoatra izay dia nanamafy koa ry Saraha Georget avy amin’ny antoko Hasin’i Madagasikara fa tsy maintsy manaraka ny fitsipi-pifehezan’ny Escopol ireo te hiditra mpikambana rehetra. Nanolotra soso-kevitra i Mara Niarisy fa tokony ho Rasamizafy Cyril ihany no misolotena ny Exopoles ao anatin’ny adihevitra. Nampisondrotra ireo antoko sy fikambanana politika am-polony avy ao amin’ity vondrona ity anefa izany. Izahay, hoy izy ireo no tompon’ny Escopol izay nanoratra azy ara-dalàna teny amin’ny ministeran’ny atitany saingy mahitahita ianareo ka tsy tontosa izany. Rehefa izay dia nivoaka ny trano nandao ny fivoriana ny tariky Rasamizafy Cyril.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT