Tamin’ny 01 oktobra 2010, ankatoky ny nisokafan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, no efa nisesy ny fanambarana fa hody an-tanindrazana tsy ho ela ny Amiraly Didier Ratsiraka.
Narahin’ny filazana fa hisy fanamafisana ny fahatongavany, dimy andro mialoha ny higadonany eto. Misy rahateo ny komity manokana nitsangana manomana io fodiany an-tanindrazana io rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny valo taona mahery tany Frantsa tany. Efa nisy mihitsy karazana dokambarotra nandeha tamina fahitalavitra tsy miankina teto an-drenivohitra ho fampiomanana ny kamarady Arema amin’ny fahatongavany. Teo ny hoe hankalaza ny tsingerin-taona faha-74 taonany eto Madagasikara ny amiraly ny 04 novambra lasa iny, saingy tsy tanteraka izany na dia efa niandry fatratra aza ireo momba azy teto an-toerana. Dia nihemotra lava teo ny fahatongavany.
Teo ny tsy fahasalaman’ny zanany lahitokana, Xavier Ratsiraka izay niditra hopitaly tao Parisy, saingy efa nivoaka izany toerana izany izy. Teo ny hoe ny sabotsy 20 novambra 2010 ny amiraly no saika ho avy saingy nisy iny raharaha BANI iny. Nisy indray ny filazana fa ny faran’ny volana janoary 2011 teo no ho avy izy, saingy tsy tanteraka koa. Araka ny loharanom-baovao akaikin’ny komity mpanomana ny fahatongavany dia efa vonona ny fiaramanidina hitondra azy miverina eto, izay fiaramanidina manokana mihitsy, fa ny fitondrana ankehitriny no miangavy ny mba tsy hiverenany aloha. Toa manamarina izany ny tsy mbola nahazoan’ny komity valin-teny mazava avy amin’ny mpitondra ny Fahefana avon’ny tetezamita, amin’ny fandraisana ny Amiraly rehefa tonga, izay heverin’ny Arema fa rariny sy hitsiny, amin’ny filoham-pirenena teo aloha azy, toy ny trano sy ny mpiaro azy.
Loharanom-baovao hafa koa anefa no mitatitra fa manam-pikasana ny hitafa amin’ny vahoak’Antananarivo eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna i Deba rehefa tafaverina eto, ka sao dia mba izay no mampanahy ny FAT ka mahatonga azy miangavy ny fanemorana ny fodian’ny Amiraly an-tanindrazana. Ity farany anefa efa nilaza fa manana sori-dalana roa na telo heveriny fa azo hamahana ny krizy, saingy rehefa tafaverina eto izy no hanambara sy hampahafantatra izany.
Sary : Amiraly Didier Ratsiraka nandritra ny fihaonana tsy Pretoria ny 30 aprily 2010
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.