Politique

Fiverenan’i Dada an-tanindrazana Misy miketrika korontana, mampiasa vola be


  • Zoma 10 Jona 2011

Faly ny zanak’i Dada saingy mitsangam-bolo kosa ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy eo anatrehan’ny fisesiky ny vaovao, fa tsy azo ihodivirana ny fiverenana an-tanindrazan’ireo filoha sesitany isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, handray anjara feno amin’ny raharaha politika eto an-toerana.

 Voasoratra mazava ao anatin’ny taratasy nozarain’ny SADC tamin’ireo vondrona politika 11 nasainy hidinika tany Gaborone ny 06 sy 07 jona teo io, saingy toa tsy dia resahina loatra nefa anisan’ny teboka manan-danja tao anatin’io taratasy io, ankoatra ny tsy maintsy hanavaozana ireo andrimpanjakan’ny tetezamita sy ny fametraham-pialana enim-bolana mialoha ny fifidianana raha hirotsaka hofidiana i Andry Rajoelina. Milaza ho tsy manana olana amin’ny fodian’ny Amiraly Ratsiraka i Andry Rajoelina raha tafaverina avy any Gaborone, saingy tsy nanome ny heviny kosa mikasika ny fiverenan’i Dada.

Etsy ankilan’izany anefa dia fantatra ankehitriny fa misy miketrika ny fanakorontanana any amin’ny Faritra any amin’izao fotoana, ary manaparitaka vola be mihitsy, mba hilazana fa tsy manaiky ny hiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana ny olona. Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Nalugaru 67ha, omaly tolakandro izy, dia nanamafy fa karakarain’ny SADC ny fodiany na dia tsapany fa mihisatra aza ny famahana ny olana.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT